Valin-dahatsoratra: Onjam-peo manenjika fivavahana kristianina ao Ambositra
Nahatonga valin-dahatsoratra mikasika ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe : Ambositra : Radio manenjika ny fivavahana kristianina, izay nivoaka ny alatsinainy 14 novambra 2016 tao amin’ny pejy faha 12. Toa izao no fanazavan’ingahy Yves sy Tovo avy amin’ny onjam-peo izay mitory ny fivavahana Yahoshuah ao Ambositra fm 104.2. Ara-dalàna io onjam-peo io izay mitory ny an’i Yahoshuah ao Ambositra io , ary tsara ny manamarika fa tsy ao Ambositra irery no misy azy io, fa efa manerana an’i Madagasikara ihany koa, ary maneran-tany mihitsy aza. Ny fahamarinana no toriana sy ambara ary ampianarina ao, saingy misy ireo ampahan’olona tsy mahazaka izany, ka lasa manasoketa fa hoe “manenjika ny fivavahana kristianina” hono ny onjam-peo 104.2 ao Ambositra. Voalaza fa ny Yahoshuah no toriana ao amin’ity onjam-peo ity. Io hono no tena zanak’Andriamanitra raha ny taratasy tonga eto aminay ihany fa Jesoa na Jesosy kosa dia anarana gasy ka tsy anarana jiosy araka ny voalaza ao amin’ny baiboly. Ary mbola nohamafisin’ireo olona mpanoratra ireo koa fa anarana grika nohagasiana hono izany Jesoa sy Jesosy izany. Kianin’izy ireo koa ny voalaza momba an’i Maria renin’i Jesosy izay tsy virijiny izany fa notefitefena fotsiny ihany. Milaza moa ireo mpitory ny fivavahana Yahoshuah fa ny fivavahan’izy ireo no milaza ny marina, ka ny filazana ny marina izany no midika hoe fanenjehana. Milaza koa ity mpivavaka ity fa tsy manakorontana fiaraha-monina ao Ambositra velively, tsy manao politika fa kosa mitory ny fahamarinana izy ireo.
TTF (Tenin’ny tonian’ny fanoratana) :
Ny zava-misy any Ambositra dia miteraka korontana ao amin’ny mponina tanteraka ny fanaratsiana ataon’ity onjam-peo ity ny mahakasika ny filazana momba an’i Jesosy sy Maria virijiny reniny. Hatramin’isika miteny izao dia in-telo izao no nivory ny tao amin’ny fiadidiana ny faritra izay notarihin’ny “préfet” ao Amoron’i Mania mahakasika ny fitarainana be dia be ataon’ny mpivavaka kristianina momba izany tao anatin’ny iray volana. Hitanay koa fa mety hitarika korontana ara-pivavahana ao Amoron’i Mania ity raharaha ity ka izany no isany nahasarika anay hanoratra azy ity sy hampita izany amin’ny fanjakana sy ny vahoaka. Ny maha fivavahana tena marina ny Yahoshuah araka ny voalazanareo dia fijerinareo iny, fa aza manala baraka ny hafa sy manaratsy ny fivavahana izay inoan’ny sasany na marina izany na diso fa izany no atao hoe finoana na fivavahana. Aza mitoky teny fantatra ianareo fa marina ny fivavahana torianareo io. Ho anay dia saropady ny raharaha mahakasika ny fivavahana toa izao ka tokony hitandrina ny mpitory azy ireny mba tsy hisian’ny ady mahatsiravina vokatr’izany eto amin’ny firenena.
Jesy Rabelaolao