Holijaona Rabaonarijaona: Mbola vao miana-mandeha ny zanatany Frantsay
Raha ny rafitra ara-toekarena misy amin’ireo firenena zanatany Frantsay teo aloha, izay saika mpikambana ao anatin’ny OIF daholo, dia mbola sarotra ny hinoana fa handroso ao anatin’ny fotoana fohy, raha ny hevitra ny mpahay toekarena, sady mpitarika ny “Emergence Madagascar”, Holijaona Rabaonarijaona. Mbola vao miana-mandeha ny firenena mampiasa, na amin’ny ampahany na manontolo ny teny frantsay, raha ny lafiny toekarena no resahina. Porofo mitohoka amin’ny tenda ny zava-misy aty Afrika. Raha jerena dia ireo firenena zanatany frantsay teo aloha no tena mahantra fadiranovana, ary tafiditra ao anatin’ireo firenena mahantra indrindra manerana izao tontolo izao, anisan’izany i Madagasikara. “Ny tena olana goavana dia rafitra ara-toekarena nadika tamin’ny rafitra frantsay no ampiharina amin’ireo firenena ireo ka tsy mahagaga raha tsy mety tafavoaka, 50 taona mahery aty aorian’ny nahazoana ny fahaleovan-tena”, hoy ihany ity mpahay toekarena ity. Manoloana izany indrindra, raha tiana ny hisian’ny tena fampandrosoana eto amin’ny firenena, dia tsy maintsy hirosoana haingana ny fanorenana ifotony, ao anatin’izany ny fanovàna ny rafitra ara-bola, ara-toekarena, ary ny fifandraisana amin’ireo firenena miara-miasa amin’i Madagasikara.
F.Tsihiavonana