Inty sy Nday: Navelan’ny filoha Hery nanjakazaka ny vahiny

Ny alarobia teo no nidina tany Antsirabe ny Mpanjakan’i Maraoka, Mohamed VI. Niaraka taminy tany ny filohampirenena Malagasy, Rajaonarimampianina. Ny foto-dian’izy ireo tany dia ny fametrahana tamim-pomba ofisialy ny vato-fototr’ilay tetik’asa hananganana ivon-toerana fampianarana sy fanofanana ara-teknika ny tanora, sy ilay trano fitsaboana ho an’ny reny. Ny fitondram-panjakana maraokanina no voalaza fa hamatsy vola amin’izy io ka roa taona ny ho faharetan’ny asa ary misanda any amin’ny 48.000 tapitrisa ariary any izao tetik’asa izao. Isan’ny fandaharam-potoanany koa ny fitsidihana ny trano fandraisam-bahinin’ny “Hôtel de Thermes”. Tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity tokoa mantsy no nitoetra nandritra ny 2 taona ny raiben’ity mpanjaka ankehitriny any Maraoka ity, dia ny mpanjaka Mohamed IV izany, tamin’ny taona 1954. Notsidihany manokana ny efi-trano nipetrahan’io raibeny io. Fa tao anatin’izany rehetra izany dia afa-baraka indray ny firenena Malagasy noho ny tsy fitokisan’ny Maraokanina ny fitondrana Malagasy. Nanomboka tamin’ny fibaikoana sy ny toromarika teo amin’ny arofenitra (protocole), ny sehatry ny fiantohana ny fiarovana ny ain’ny mpanjakany, ny sehatry ny serasera sy ny fifandraisana… dia ry zareo Maraokanina no nifehy ny raharaha tany. Moa va tsy toy ny any Maraoka no natao ny raharaha. Tsy fahita izany fa ny tokony ho izy dia ny fanjakana Malagasy no masi-mandidy amin’ny fikarakarana sy ny fiantohana ny fikarakarana rehetra, ka tafiditra ao amin’izany ireo voatanisa etsy aloha ireo. Na atsy amin’ny Nosy Kaomoro izay azo sokajiana ho firenena kely aza no mitsidika, mivahiny ny filohampirenena Malagasy, dia inoana fa tsy ho afaka hanao toa ireny nafitsoky ny Maraokanina tany Antsirabe ireny ny tompon’andraikitra Malagasy, na ny aro-fenitra na ny mpiaro ny filoha, na ny fanilikilihana ny mpanao gazety kaomaorianina….

Voahilikilika avokoa teo ampanaovana ny asany ny mpanao gazety, ary nisy mihitsy aza ny fikasihan-tanana nataon’ireo mpiaro ny mpanjakan’i Maraoka an’ireo mpanao gazety Malagasy. Nahazo tombony tamin’izany raharaha izany kosa ny mpanao gazety vahiny nanatrika tany. Etsy ankilany, toa midika ireny tranga tany Antsirabe ireny fa tsy manana ny fiandrianam-pireneny i Madagasikara, ary tena fahafaham-baraka tsy nisy toa izany, nefa ange ka teo imason’ny filohampirenena Rajaonarimampianina no nitrangan’izany e ! Ankoatra ny tsy fitokisana izany dia azo raisina koa ny hoe “tsy masi-mandidy intsony eto Madagasikara ny Malagasy”, ary fitondram-panjakana sary vongany fotsiny no misy.

Endrika iray ahafahana milaza koa izany fa “nahitsan-dRajaonarimampianina ny voninahi-pirenena Malagasy”.

Ajouter un Commentaire