Raharahan-ketra: Mba manana pôlitikam-pirenena momba izany ve ny fitondrana Hvm ?

Tsy manam-pitsaharana ny fanerena ny vahoaka Malagasy amin’ny alalan’ny baikon’ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena. Vao nanolotra vola ampanjanahina mitentina 65 tapitrisa dôlara ho an’ny mpitondra fanjakana mantsy ny Banky Mondialy. Nambara tamin’ny fomba mampodimandry fa “hanatsarana ny fampidiran-ketra” eto Madagasikara izy io. Nanambara ny avy amin’ny Banky Mondialy fa “ny fampidiran-ketra ho ao amin’ny kitapom-panjakana eto Madagasikara no ambany sy ratsy indrindra maneran-tany”.

Izany hoe “mba hampiakarana sy hanatsarana ny fampidirana ny hetra ho ao amin’ny kitapom-panjakana izany no fototr’io fampanjanaham-bola 65 tapitrisa dôlara io”.

Raha topaza-maso tampoka aloha izany dia rariny sy hitsiny raha misy ny fanavaozana ny tontolon’ny hetra eto. Ny olom-pirenena tokoa mantsy aloha dia manana adidy hitondra ny anjara-birikiny eo amin’ny fampihodinana ny raharaham-pirenena, ny raharaham-panjakana, ka ny hetra aloan’ny olom-pirenena no endrika iray ho amin’izay anjara-birikin’ny vahoaka amin’ny raharaham-panjakana izay.

Tsy afaka ny hikarakara ny filan’ny vahoaka ny fanjakana, hoy ny hevitra mipoitra, raha tsy misy vola hoenti-manana an’izany ka ny hetra avy amin’ny olom-pirenena no loharanom-bola ho amin’izany.

Ny mahavariana aloha dia ny tsy mba fahasahian’ireo mpampisambo-bola iraisam-pirenena manao fanamarihana amin’ny vola avoakan’ny mpitondra fanjakana ao amin’ny kitapom-bola fa toa ny vola ampidirina ihany no mahamaika an-dry zareo.

Nahoana, ohatra, no tsy mba mitaky ny mangarahara  na manao fanamarihana fotsiny ny Banky Mondialy amin’ny vola lanian’ny fitondram-panjakana ankehitriny amin’io fikarakarana ny Frankôfônia io ?

Nahoana ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena no tsy sarotiny mihitsy amin’ny fandaniam-bola ataon’ny mpitondra fanjakana amin’ny raharaha tsy laharam-pahamehana ? Raha ny lojikam-pihetsiky ny mpampanjana-bola iraisam-pirenena amin’ny fitantanana ny volam-panjakana mantsy no zohiana dia tsy ny fampidirana ny vola amin’ny alalan’ny hetra ihany no tokony hahasarotiny an-dry zalahy fa ny famoaham-bola koa.

Etsy andaniny, tokony hitaky amin’ny fitondram-panjakana koa ny Banky Mondialy, satria ny Malagasy moa efa tsy to teny intsony eto. Tokony hitaky ny Banky Mondialy ny handrafetana pôlitikam-pirenena momba ny hetra. Ny olom-pirenena efa voavolo ihany mantsy no mbola ianjadian’ny fanerena azy handoa hetra vaovao na ny fidangan’ny hetra nasondrotra.

Etsy ankilany, tsy nahim-pon’ny vahoaka koa ange no marisarisa amin’ny fandoavan-ketra e! Manara-maso mantsy ny vahoaka fa toa tsy mahita mangirana amin’izay tamberin’andraikitra tonga any aminy amin’izay vokatry ny hetra naloany izy. Ankoatra izay, tazan’ny vahoaka ny filiban’ny mpitondra amin’ny volam-panjakana, ny fanararaotam-pahefana ataon’izy ireo, izay hetra avy amin’ny vahoaka no loharanony.

Ambonin’izany rehetra izany. Misy pôlitikam-pirenena tsy mitsinjo vahoaka koa eto. Tokony ho marika fotsiny ihany amin’izay fampandraisana anjara ny vahoaka ny hetra eto fa ny harem-pirenena eto aza ange ka tsy lanintsika amin’izay filana takian’ny fampivorana sy ny fanarenam-pirenena mbamin’ny fanalana ny vahoaka ao anatin’izao fahantrana izao e !

Ireo harem-pirenena ireo no tokony ho loharanom-bola hamatsy ny kitapom-panjakana eto fa tsy vola zanahina amin’ny Banky Mondialy  na ny Fmi na ny Vondrona Eraopeanina na ny hafa. Tsy ny hetra avy amin’ny vahoaka koa no tokony hianteherana.

Mahavariana anefa fa dia tsy misy tafiditra ao amin’ny kitapom-panjakana ny vidiny na ny sandan’ireny harem-pirenena notrandrahina ka naondrana avy eto ireny, na ireo notrandrahina ara-dalàna, izany na ireo harena mivoaka an-tsokosoko toy ny volamena, safira, andramena sy ny maro hafa.

Fa mbola vato misakana tsy ahafahan’ny vahoaka mandoa hetra koa, aoka tsy hifampihatsaravelatsihy eto, ny fahantram-bahoaka. Ny harapany ho tohan’aina aza tsy hitany ka izay hetra ve hahamaika azy ?

Anjara-andraikitry ny fitondram-panjakana avokoa izany nefa tsy vitany. Toa izy ireo ihany aza no manome vahana sy mitsikombakomba amin’izany rehetra izany. Dia hanaiky fotsiny hoporetina amin’ny alalan’ny baikon’ny Banky Mondialy ve ny vahoaka amin’ity raharahan-ketra ity nefa ny vola tafiditra ao amin’ny kitapom-panjakana  sy ny vola tokony hiditra ao amin’ny alalan’ireo harena tsy hita pesipesenina eto aza, gaboraraka ?

Ajouter un Commentaire