Depiote: 1 000 000ar na 1 200 000ar dia mananga-tanàna

Tsy avelan’ny andro tsy hipoitra ny marina rehetra. Izany no azo lazaina mahakasika ny zava-mitranga ao amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena etsy Tsimbazaza. Niteraka resabe tokoa ny fifidianana in-droa miantoana izay nandaniana ny lalàna mahakasika ny teti-bolam-panjakana taona 2017 hoavy izao. Ny zoma faha 27 novambra 2016 lasa teo no notapahina tamin’ny fivoriana itambarambe ny fandaniana ity teti-bola ity. Tamin’ny voalohany dia nandresy ny mpametraka ny fanitsiana rehetra (amendement), ho entina hanitsiana izany. Tsy nanaiky ny valin’ny tsangan-tanana voalohany ny HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara) sy ny mpomba azy ka nangataka ny famerenana ny fifidianana. Rehefa natao ny famerenana dia akory ny fahagagana fa nandresy indray ireo mpomba ny fitondrana ireo. Gaga sy talanjona ny rehetra noho izany, satria nailika tany amin’ny mpanisa vato ny fahadisoana tamin’izany hono. Ny harivan’io ihany anefa dia voavaly ny fanontaniana mahakasika ny tsiambaratelo tamin’izany. Depiote maro no nilaza fa nisy ny fizarana vola tao ka ireo izay azo novidiana no nahazo izany. Voalazan’ity loharanom-baovao fa 1000 000ariary ka hatramin’ny 1 200 000 ariary no sandan’ny tsangan-tanana handaniana iny teti-bolam-panjakana iny. Mbola noheverina fa tsaho ihany ity resaka vola ity ny asabotsy teo. Omaly alatsinainy faha 28 novambra 2016 dia nipoitra tsikelikely hatrany ny marina ka ny olona nahita ny fizarana mihitsy no milaza fa nisy vola natokana ho amin’izany. Tsy ny depiote ihany anefa no nanamarina izany fa hatramin’ny mpitandro ny filaminana izay niresaka tamin’ireo solombavambahoaka ireo dia mbola nanamafy ny fisian’ny fizaram-bola koa. Ity mpitandro ny filaminana ity moa dia nilaza fa nanatrika depiote enin-dahy avy amin’ny fitondram-panjakana izay isan’ny tompon’andraikitra amin’ny fizaram-bola izany. Tsy ireo ihany fa hatramin’ny mpiasan’ny Antenimirampirenena koa dia milaza fa nahita izany fizaram-bola izany avokoa. Inona intsony no zava-marina eto amin’ny firenena raha toa ka ny solombavambahoaka no voavidy vola ankehitriny? Mbola hisy ihany ve ny olona azo itokisana raha toa ka ity andrimpanjakana ity no foiben’ny kolikoly sy ny halatra amin’ny fifidianana? Resabe ao Tsimbazaza ao ity raharaha ity amin’izao fotoana izao. Na ny mpiasa, na ireo depiote, na ireo olona mandalo ao ka manaraka ny raharaha misy ao dia samy mahalala avokoa fa manjaka ny fividianana olona ataon’ny fanjakana mba handaniana ny tolo-dalàna. Marihina fa tsy vao izao ihany no nisian’ny fividianana depiote toa izao fa hatramin’ny fiantombohan’ny fitantanan’izy ireo. Tao anatin’ny telo taona izay dia toa izao ihany no mitranga amin’ity andrim-panjakana ity rehefa tonga ny fandaniana ny teti-bola. Lany tsy misy ho kianina ny lalàna atolotra ny minisitra ny Vola sy Teti-bola.

Jesy Rabelaolao      

Ajouter un Commentaire