Antananarivo Renivohitra : faritra maro no dibo-drano sahady
Ho betsaka noho ny tamin’ny taon-dasa ny isan’ireo tra-boina eny amin’ny faritra iva amin’ity fotoam-pahavaratra ity raha ny fahitàna ny fiakaran’ny rano, tao anatin’ny 2 na 3 andro nilatsahan’ny orana. Mbola tsy oram-be akory no nirotsaka dia nahitàna fiakarana be sahady ny rano tamina fokontany maro teto Andrenivohitra, indrindra fa eny amin’ireo faritra iva. Raha ny teny amin’iny faritra Besarety, Mahavoky sy Andravoahangy iny, izay efa malaza eo amin’izay fiakaran’ny rano izay, minitra vitsy monja tao aorian’ny fiavian’ny orana dia efa mahatratra hatrany 30 sm sahady ny haavon’ny rano. Sahirana ny mpandeha an-tongotra sy ireo fiara nivezivezy teny amin’iny faritra iny tahaka ny mahazatra. Azo antoka fa tapaka tanteraka ny fifamoivoizana raha toa ka mbola nitohy tao anatin’ny minitra vitsy monja ny rotsak’orana. Tsy ny teny an-toerana ihany fa hatreny amin’ny araben’ny fahaleovan-tena eny Analakely sy ny teny Behoririka, dia dibo-drano koa ny arabe. Tsy resahina intsony moa ny amin’ireo faritra antsoina hoe “Ambany tanàna”. Ohatra amin’izany ny eny Manarintsoa Isotry, Ampefiloha Ambodirano ary Antaniavo, dia niakatra tsy nisy toy izany sahady ny rano ary efa tonga hatrany anaty trano fonenana. Manoloana izany indrindra dia ahiana mafy ny fisian’ny tra-boina maro eto Andrenivohitra amin’ity fotoam-pahavaratra ity. Marihana fa tsy nisy ny asa lehibe mivaingana nataon’ny kaominina sy ny fanjakana mba hisorohana izay fiakaran’ny rano izay tao anatin’ny herintaona mahery naha teo amin’ny toerany ny ben’ny tànana voafidy. Fanadiovana ireo tatatra sy lakan-drano maloto sy feno fako ihany no natao kanefa raha ny fahitàna ny fiakaran’ny rano tao anatin’izay andro vitsy izay dia tsy mampiova na inona na inona izany. Raha mba nolaniana tamin’ny fanamboarana fotodrafitrasa teto Andrenivohitra sy tany amin’ny faritra hafa ny vola an-jatony miliara Ariary lany tamin’ny fikarakarana ny Frankôfônia, mety ho voasoroka ihany ny rano miakatra ka tsy hisy intsony ny tra-boina.
F.Tsihiavonana