Atsimo Atsinanana: Nanome fitaovana tany Vangaindrano ny faritra

Ny faran’ny herinandro lasa teo dia nanome fitaovana ny masoivohon’ny haino aman-jerim-panjakana ao Vangaindrano ny lehiben’ny faritra Atsimo Atsinanana dokotera Théodoret izay nahitana “camera”, solosaina, “table de mixage”. Ny tanjona dia ny hanatsarana hatrany ny fanomezana vaovao sy fanomezana fahafaham-po ireo mpanaraka ny fandaharana amin’ny radiom-paritra sy ny talem-paritra ao Vangaindrano. Nandray ireo fitaovana ary nisaotra ny delegen’ny haino aman-jery ao Vangaindrano Tata Randrianambiny ary nampanantena fa tsy handraraka ilo mby an-doha fa hanao izay tratrany ho fanomezana fahafaham-po ny vahoaka. Santionany amin’ny hetsika ataon’ny faritra ity fa efa nanome kodiarana efatra ny fiaran’ny pôlisy ao Vangaindrano ary roa ho an’ny fiaran’ny polisy eto Farafangana amin’ny ezaka fampandriana fahalemana. Ankoatra izay dia tsy nahenoana fikorontanana loatra ny taom-piotazana jirofo tamin’ity taona ity hatramin’ny nanombohany tamin’ny 27 oktobra lasa teo satria nampidinina teny amin’ny kaominina mamokatra jirofo ireo mpitandro filaminana nahitana ny zandary, pôlisy ary ny miaramila. Ankoatra izay dia nanampy koa ny faritra tamin’ny fanomezana sakafo, solika, fitaterana ary ny “indemnité” ho an’ireo mpitandro ny filaminana izay nandeha intelo miantoana tany amin’ny distrikan’i Midongy Atsimo sy Befotaka avy amin’ny miaramila any Manakara, ny 213 ao Etrotroka, ny 5ème Blig sy ny zandary. Eo amin’izay fandriam-pahalemana izay ihany dia nankalazaina tamin’ny faha 13 novambra lasa teo ny tsingerin-taona nananganana ny fifampifehezana amin’ny kaominina 12 ato amin’ny faritra dia ny ao Ankarana, Mahabo-Mananivo, Lopary, Antseranambe, Efatsy, Fenoarivo, Iabohazo, Ihorombe, Ambalavato Antevato, Tovona, Etrotroka Atsimo izay nahitam-bokatra amin’ny fampandriana fahalemana satria raha nahatratra 80 mahery ny vaky vala na halatr’omby tamin’ny taona 2015 dia nihena ho 5 izany tamin’ity taona ity. Azo tsapain-tanana ny filaminana noho ny ezaka ny faritra, ny fiombonan’ny mpiara-monina sy ny mpitandro filaminana. Ny vahoakan’ireo kaominina ireo dia maniry ny hitohizan’ny filaminana hahafahana mamokatra sy hiatrehana ny fetin’ny faran’ny taona ao anatiny fitoniana. Misy ihany koa ny ezaka amin’ny fampandehanana ny anjerimanontolo eto amin’ny faritra amin’ny alalan’ny fandrantoana ny fampandehanan-draharaha, ny fandraisana an-tanana ireo mpampianatra eo amin’ny lafiny rehetra.

Morasata Marc

Ajouter un Commentaire