Inty sy Nday: Tantely afa-drakotra hatrany e !
Any Ididy Ambatondrazaka indray no mirohotra ny mpanao aferana safira satria tsara karazana koa ny safira hita any. Araka ny fanadihadiana natao dia ny vahiny avy any Sri Lanka no tena maro mpandray an’io safira any Ididy Ambatondrazaka io. Toy ny tany Ilakaka ihany.
Mahagaga fa tsy vitan’ny tompon’andraikitra intsony ny miaro ny faritra arovana izay misy an’ity safira ity any, ary dia mirohotra ny olona efa an’hetsiny. Tsy avy amin’iny faritr’Alaotra iny ihany izy ireo fa avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mihitsy. Ireo vahiny Sri-Lankais dia tsy midina any ifotony akory fa miandry an’ireo mpitrandraka ao an-tampon-tanànan’Ambatondrazaka, hoy ny akom-baovao.
Nisy fotoana nandroahan’ny manam-pahefana azy ireo tany an-toerana satria hoe miteraka tsy fandriam-pahalemana. Amin’ny fividianan’ireo vahiny ireo ny safira mantsy, hoy ihany ny ako, dia lelavola no mifamoivoy, ary an’arivony tapitrisa maro (amina miliara) no kirakiraina isan’andro any an-toerana amin’izy io. Mazava ho azy fa teraka amin’izany ny eritreri-dratsin’ny sasany hanao asan-jiolahy.
Dia efa tonga any an-toerana mihitsy ny asa fandrobana, hoy ihany ny ako. Mahavariana moa fa hatramin’ny ben’ny tanànan’Ilakaka no hitan’ny any Ambatondrazaka fa tonga any manakaiky an’ity resaka safira ity. Mahalasa fisainana ny ao an-toerana ny fitrangan’ny jiolahy sy ny fahatongavan’ity ben’ny tanànan’Ilakaka ity any, ka mampametra-panontaniana ny maro hoe “fifanojoan-javatra ve sa sanatria io ben’ny tanànan’Ilakaka io mihitsy no mifandray tendro amin’ireo jiolahy mpandroba izay mirongatra any amin’izao fotoana?” Tsy dia mifanipaka amin’ny tranga amin’izao fotoana any Ambatondrazaka mantsy ny niseho tany Ilakaka tamin’ny fotoanandro, raha ity asan-jiolahy sy ny fikirakirana volabe amin’ny raharahan-tsafira ity no asian-teny. Rehefa voaroaka àry ireo teratany avy any Sri Lanka ireo, hoy ihany ny akom-baovao, dia ireo manam-pahefana sasany ao an-toerana ihany, toy ny mpiandraiki-draharaha any amin’ny kaominina any na ny mpitandro ny filaminana no miantso azy ireny ka manafina azy ireny any an-tokantranony any. Mazava ho azy fa ny hanohy ny fividianan-dry zareo ireny an’ity safira ity no antony. Dia manelanelana maka vola amin’izy ireny ireo tompon’andraikitra. Dia mody mamerina mandroaka indray ny manam-pahefana, fa izy ireo ihany no mitsikombakomba maka vola amin’izy ireo dia mamerina azy any. Izany hoe nataon’ny manam-pahefana ho fakam-bola izany izay fepetra izay.
Fa amin’izao fotoana dia re fa milafika maharitra any hatramin’ny zanaky ny eny Mavoloha. Izy ireo koa dia manelanelana amin’ireo avy any Sri Lanka satria tsy maharaka ny volan’ireto Sri Lankais ny volan’i Mavoloha amin’io raharaha iray io. Dia maka ny anjarany koa izy ireo. Etsy ankilany, ireo Sri Lankais koa dia manarama Malagasy hidina an-tsehatra any anatin’ny toeram-pitrandrahana. An’arivony ny olona karamain’izy ireo ho amin’izany, ka zary fifaninanana no mitranga, ary mampidina ny vidin’ny safira tonga eo anoloan’ireto Sri Lankais izany.
Aiza ny fandraisana andraikitra ny Samifin aloha amin’izany rehetra izany satria tsy ihambahambana fa fanadiovam-bola io fandraharahana tsy ara-dalàna amin’ny safira any Ididy Ambatondrazaka io. Afaka manantena sy miantehitra amin’ny mpitondra fanjakana koa ve mba hiarovana ny harem-pirenena any sy handrindrana ny fandraharahana azy io mba hisy vokatsoa ho an’ny firenena sy ho an’ny faritra ary ho an’ny mponina izy io ?
Mikaikaika mantsy, ohatra, amin’izao fotoana, ny mponina any an-toerana satria nihazakazaka nanaka-danitra ny vidim-piainana. Lasa nanararaotra ny volan’ireo mpanao aferana safira. Hatramin’ny hofan-trano no midangana be tsy taka-bola, ary ireo mponina tsotra, ireo mpiasam-panjakana tsotra no tena mizaka ny voka-dratsin’izany satria tsy afa-miala amin’ny asany andavanandro nefa mizaka ny vesatra vokatry ny fiakatry ny vidim-piainana.
Faralahy