Lalatiana Ravololomanana: “Feno kolikoly ny fitantanana ny kaominina”

Nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety momba ny raharaha anatin’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny mpanolotsaina monisipaly, Lalatiana Ravololomanana. Tamin’io fotoana io no nilazan’ity farany fa feno tsy fanarahan-dalàna ny fomba fitantanana ny kaominina, na eo amin’ny fitantanan-draharaha izany, na eo amin’ny fitantanana ara-bola. Noraisin’i Lalatiana Ravololomanana ohatra ny fomba fanatanterahana ny fivorian’ny filankevitra monisipaly. “Noterena ireo mpanolotsaina monisipaly hankato ny “délibération” nangatahan’ny mpanatanteraka amin’ny tokony hindraman’ny kaominina Antananarivo renivohitra an’ilay tany etsy Andohatapenaka, izay hifanolanan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny fanjakana foibe, kanefa tamin’ny fomba tsy mifanaraka amin’ny lalàna velively no nanaovana ny fivoriana”, hoy i Lalatiana Ravololomanana. Marihana fa nametraka fitoriana teo anivon’ny fitsarana manoloana izay tsy fanarahan-dalàna izay ity mpanolotsaina monisipaly ity saingy resy tamin’ny didy navoakan’ny fitsarana voalohany. Ity farany izay tsy nanaiky izany valim-pitsarana izany ka nampiakatra ny raharaha eo anivon’ny ambaratongam-pitsarana voakasika amin’izany. Araka ny fantatra dia amin’ny volana febroary amin’ny taona ho avy no hamoaka ny heviny ny fitsarana mikasika ity raharaha ity. Etsy ankilan’izay, tsy misy ihany koa ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny volan’ny kaominina, araka ny nambaran’ity mpanolotsaina monisipaly ity  ihany. Mametra-panontaniana ny tenany hoe : “nankaiza daholo ny vola efa naloan’ny orinasa Easy Park satria efa nalain’ny kaominina ny 74 % amin’ny vola tokony ho anjaran’ny kaominina ? Tahaka izany koa ny vola 2 hetsy ariary izay nalain’ny kaominina isaka ny fanorenana trano tsy ara-dalàna ? Raha ny antontan’isa navoakan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina, dia nahatratra 3400 ny isan’ireo olona monina eto Antananarivo nandoa ity vola ity kanefa tsy fantatra izay tena nampiasana vola, izay marihana tsara fa volam-bahoaka”. Ho an’i Lalatiana Ravololomanana dia anjakan’ny kolikoly tanteraka ny fitantanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ary mieritreritra ny ben’ny tanàna sy ireo olona akaiky azy fa azy ireo ny kaominina sy ny vola miditra aminy rehetra.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire