Vovonana kristianina malagasy: « Ny fahamarinana manandratra ny firenena »
Namelabelatra ny hevitra hitan’izy ireo ho fototry ny fahasahiranan’ny firenena malagasy ankehitriny tetsy Anosy omaly ny Vovonana Kristianina Malagasy « Vkm », izay tarihin’ny Pr Rakotonirina Rasolonjatovo sy Rtoa Rasoloarijao Perle.
Isan’ny navoitran’izy ireo tamin’izany ny fisian’ny rivotra mitsoka tato ho ato eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena taorian’ireny fifidianana izay natao tany Etazonian’i Amerika ireny, ny sivana teo amin’izay harotsaky ny antoko lehibe any Frantsa, ny tany Angletera. Hita soritra tamin’ireny, hoy ny Vkm fa mila fiovana ny vahoaka ary tsy tia hiverina intsony amin’ireo mpitondra nifandimby an-taonany maro. Io moa ilay antsoina hoe « rivotra anti-establishment ». Ny fahitan’ny Vkm azy dia mbola hiitatra ny fitsokan’io rivo-baovao io, ary tsy ho tana intsony na dia mbola hiady mafy aza ireo mpanao pôlitika maniry hifikitra eo amin’ny fitondrana, izay efa voaporofo fa tsy nahavita nampandeha sy nampahomby ny raharaham-pirenena ; hoy hatrany ity Vovonana ity.
Tsy misy valaka amin’izany ny eto amintsika eto Madagasikara, hoy ny fanampim-panazavana omaly satria tena miteraka fahapotehan’ny firenena ny afitsoky ny tompon’andraikitra. Tena latsaka an-katerena mantsy ny firenrena, hoy ry Perle Rasoloarijao sy Rakotonirina Rasolonjatovo omaly, ka tonga ny fotoana handraisana andraikitra.
Navoitran’ny Vkm àry fa ny fototry ny olana aloha no tsy maintsy fantarina mba hahafahana miatrika ny famahana sy fitsaboana azy. Nifandimby niseho teto ny tsy fahaiza-mitantana, hoy ry zareo nanao ny famelabelarana omaly, saingy ny loharanon’izany voalohany indrindra dia ilay krizy ara-tsaina na ara-moraly. Izay no niteraka krizy ara-pôlitika sy ara-toekarena ary ara-tsosialy, hoy ny Pr Rasolonjatovo Rakotonirina.
“Tsy afaka hitraka mihitsy ny firenena, noho izany”, hoy izy, “raha tsy misy fiovana tanteraka”. Ho an’ny Vkm àry dia « mila mpitondra sy fomba fitantanana vaovao mifanaraka amin’ny soatoavina kristianina ary manaja ny toe-tsaina malagasy ny firenena ankehitriny ».
Fepetra voalohany hiantohana an’izany, araka ny famelabelarana omaly ihany ny fametrahana ny fototra iorenan’ny fahamarinana sy ny demokrasia, ny fiandrianam-pirenena ao amin’ny Lalampanorenana sy lalam-pifidianana ary ny lalàna momba ny fifandraisana.
“Ilaina faritana tsara koa ny toetran’ny mpitondra”, hoy hatrany ny Vkm, mba hotanteraka ara-bakinteny ny hoe « ny fahamarinana manandratra ny firenena ». Ho an’ny Vkm mantsy dia mila mpitondra manao fianianana fa hanaja ny soatoavina fototra, mpitondra ampy fiofanana momba ny fitondrana firenena, mpitondra manana fahaizana ilaina, ary matahotra an’Andriamanitra.
Isan’ny endrika isehoan’ny tsy fanajana ny fahamarinana ny kolikoly, hoy ihany ny Vkm.
Etsy ankilany, tsy nataon’ny Vkm ho zava-maivana fa nasehony eo amin’ny laharana faharoa amin’izany vahaolana hanarenana ny firenena izany ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana. Tafiditra ho isan’ny lehibe amin’izany ny fanabeazana olom-pirenena, hoy ny Vkm.
Mba hialana amin’ny kolikoly, hoy hatrany ity Vovonana ity dia ilaina ny manao fanadihadiana eo amin’ny fitondran-tenan’ireo mikasa hiditra ho mpianatra pôlisy, ho mpianatra zandary, ho mpianatra mpitsara….
Nofaritan’ny Vkm ho laharana fahatelo isan’ny fototra ny hevi-baovao rehetra momba ny toekarena. Ny zava-dehibe mantsy, hoy ny valan-dresaka omaly dia tsy ny hijanonan’ny firenentsika sy ny fiaraha-monina ho mpanjifa fotsiny fa ho mpamokatra indrindra koa.
Ny lafin-javatra fahefatra navoitran’ny Vkm dia ny tontolon’ny fanajariana ny tany sy ny fampiasana ny harena voajanahary rehetra. Tsy latsa-danja ao anatin’izany ny pôlitika momba ny angovo, ny fanomezana lanja ny harena ankibon’ny tany, ny asa vaventy sy ny fizahantany.
Ho an’ny Vkm mantsy, ny tanjona dia ny hananana vahoaka mandroso amin’ny fahamatorana, ka hahay hifidy izay ho filohampirenena manaraka.
Nanambara ny fahavononany handrotsaka olona hofidiana amin’ny ambaratongan-drafitra eto anivon’ny tany sy ny firenena moa ny Vkm.
Commentaires
Misaotra ry Professeurs!
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.