Betsiaka Ambilobe: Misy mpitrandraka mitsangana miaro ny “Madamining”

Tato anatin’ny volana vitsy tokoa izay dia niteraka resabe teto an-toerana ny fitrandrahana volamena any amin’ny kaominin’i Betsiaka, distrikan’Ambilobe, faritr’i Diana. Niteraka resabe satria araka ny voalazan’ireo mpitrandraka Malagasy madinika any an-toerana, dia manao tsinontsinona azy ireo ny orinasa sinoa Madamining ary mandroba ny volamena ao anatin’ilay kariera ao Analamanga, fokontanin’Ankatoko. Ankehitriny kosa dia misy ny ampahany amin’ireo mpitrandraka ao amin’ity karieram-bolamena ity no mijoro miaro an’ity orinasa sinoa ity. Ireto farany izay niakatra aty Antananarivo ary nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, nitondra fanazavana momba ny zava-misy marina ao amin’ity fokontanin’Ankatoko ity. Raha ny fanazavana nomen’i Tombo Michel, izay nitondra ny tenin’ireo mpitrandraka niresaka tamin’ny mpanao gazety, dia tsy marina velively ny filazan’ny gazety sasantsasany fa mandroba ny volamena ao Betsiaka no orinasa Sinoa “Madamining”. Nisy ny fifanarahana mazava niarahan’ireo mpitrandraka Malagasy sy ity orinasa Sinoa ity, fifanarahana izay nanangonana ny sonian’ny fokonolona ary nahatratra hatrany amin’ny 270 mahery ny isan’ireo sonia efa voaangona. Nomarihan’ireto mpitrandraka volamena mandinika ao Betsiaka ireto fa mpiaraha-miombon’antoka fotsiny ihany ny orinasa Madamining fa tsy mandroba ny volamena ao an-toerana akory. Etsy ankilan’izay, manaja ny fampanantenana nataony ity orinasa sinoa ity satria tamin’ny sabotsy heriny lasa teo dia napetraka tamin’ny fomba ofisialy ny vato fototra hananganana ny CSB vaovao sy ny sekoly ao amin’ity fokontanin’Ankatoko ity.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire