Tale jeneralin’ny Fadin-tseranana: Isan’ny mamotika ny mpandraharaha malagasy

Sampan-draharaha iray mitana anjara-toerana goavana eo amin’ny tontolon’ ny toekarem-pirenena sy ny fandraharahana ara-bola eto Madagasikara ny fadin-tseranana na ny ladoany. Velon-taraina anefa ireo mpandraharaha ara-toekarena, na ireo mpanafatra akora haodina amin’ny orin’asa izany na ireo manafatra entam-barotra hiantohana ny famatsiana ny vahoaka amin’ny kojakoja iankinan’ny fiainany andavanandro.

Velon-taraina izy ireny satria mikaikaika noho ny fanamparam-pahefana ao anatin’ny hafetsena mihoa-pampana ataon’ny foibem-pitantanana ny fadin-tseranana mba hangoronany tombontsoa manokana. Tsy hajain-dry zareo ny fepetra takian’ny fehezan-dalàna momba ny fadin-tseranana (code des douanes) fa izay irika ahafahan-dry zareo manararaotra ka ialana amin’izay voafaritr’io fehezan-dalàna momba ny fadin-tseranana io no ampihariny.

Isan’ny antony goavana miteraka ny fidanganan’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izany, na menaka na siramamy na lafarina na ny kojakoja sy entana hafa, hoy ireo mpandraharaha amin’ny sehatra ara-barotra, ary mampiakatra koa ny mason-karenan’ny mpandraharaha manafatra akora fototra sy ny fitaovana mbamin’ny kojakoja amin’ny milina any anatin’ny orin’asa.

Araka ny fanampim-panazavana mantsy dia “ny fehezan-dalàna momba ny fadin-tseranana no mamaritra ny fepetra voatsipiky ny lalàna manan-kery (cadre légal) ny asa sahanin’ny fadin-tseranana. Io fehezan-dalàna io dia milaza fa ny sandan’ny haban-tseranana (valeur en douane) faritana dia mifototra amin’ny sanda antsoina hoe “valeur transactionnelle”.

Amin’ny tranga izay andavana ny sanda nanaovana fanambarana (valeur en douane declarée) dia faritan’ny andininy faha-23 amin’io fehezan-dalàna momba ny fadin-tseranana io amin’ny andalana faharoa sy fahefatra ny fombafomba enti-mamaritra ny sandan’ny haban-tseranana.

Ny naoty avy amin’ny foibem-pitantanana ny fadin-tseranana mitondra ny laharana 145/MFB/SG/DGD tamin’ny faha-6 aprily 2016 dia mandrara ny fitantanana mitanila eo amin’ireo samy mpandraharaha na ihany koa ny faneriterena isan-karazany izay mety handeha ho azy (Interdit les traitements inégalitaires des opérateurs ou encore le redressement automatique et systématique). Marihina fa ny sampan-draharaha misahana ny fampanarahan-dalàna sy ny famaritana ny sandan’ny haban-tseranana no nandrafitra io naoty io fa ny foibem-pitantanana ny fadin-tseranana dia nanao sonia azy fotsiny.

Eo anoloan’ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika, na ny fehezan-dalàna momba ny fadin-tseranana na ity naoty mitondra ny laharana faha-145/MFB/SG/DGD ity dia samy tsy misy manipika ny fahafahan’ny tompon’andraikitra mpandray vola eny anivon’ny fadin-tseranana (receveur) hanana fahefana handidy dia hanapaka samirery ny sandan’ny haban-tseranana atatao amin’ny entana. Ny zava-misy eo anivon’ny fitantanana ny fadin-tseranana ao Toamasina anefa dia ny “receveur” no zary manana fahefana tampoka hamaritra sy handidy ary manapaka ny momba io sandan’ny haban-tseranana io. Ny antony, araka ny fanadihadiana natao dia ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana no mitsikombakomba ka manery mihitsy an’ity “receveur” ity mba hahazoan-dry zareo tombontsoa manokana.

Izany tranga izany, mazava ho azy, hoy ny fanampin’ny fanazavana avy amin’ireo mpandraharaha mpampiasa ny sampan-draharahan’ny fadin-tseranana ho mampidangana ny mason-karena ka mampisondrotra ho azy ny vidin’entana eny amin’ny mpivarotra.

Sady famonoana ny mpandraharaha ilay izy no fanakendana ny mpanjifa, hoy ihany ny fitarainan’ireto mpandraharaha.

Amin’izao, mba hanodinana ny tsy fankasitrahan’ireo mpandraharaha ara-toekarena dia nohamafisin’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana ny firaisana tsikombakomba amin’ny “receveur” ao Toamasina amin’ny fifampiraharahana na fanapahana samirery ny raharaha, ka izay sitra-pon-dry zareo no tsy maintsy toavina. Misy matetika ny finiavana handrirarira ny raharaha mba hahaporitra ny mpanafatra entana dia mifampiraharaha. Mety ho loharanon’ny kolikoly koa izany, hoy ihany ny fanampim-panazavan’ireto velon-taraina taminay.

Marobe ny mpanara-maso no mahatsikaritra fa tsy misy fanajana mihitsy ny voarakitry ny rijan-tenin-dalàna amin’ny ankapobeny izay mamaritra ny anjara-asan’ny fadin-tseranana ny fanapahan-kevitra na fepetra ampiharin’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana na ny “receveur” any Toamasina izay ampiasain’Ingahy Tale Jeneraly ho fitaovana mahombiny amin’ny fakana vola an-kafetsena amin’ny  mpandraharaha.

Isan’ny navoitran’ireto mpandraharaha ara-toekarena ny hoe “ny fitondram-panjakana foibe miantso sy manentana ny mpandraharaha avy any ivelany hampiasa vola eto nefa ny mpandraharaha efa amperin’asa, indrindra fa ny Malagasy toa iniana hopotehina amin’itony fepetra tsy manara-dalàna ampiharin’ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana itony”.

Mba afaka mampanao fanadihadiana amin’izao tranga izao ka mandray fepetra haingana ve ny tompon’andraikitra ambony ara-panjakana eto fa potika ny toekarem-pirenena ary mizaka ny tsy eran’ny ainy amin’ny fiakatry ny vidim-piainana ny vahoaka?

Ajouter un Commentaire