Elysé Ratsiraka : nivadika tamin’ny vahoakan’i Toamasina

Isan’ny fepetra noraisin’ny ben’ny tanànan’i Toamasina Renivohitra, Ratsiraka Elysé raha vao voafidy izy, ny handamina ny tanàna, ary voalohany tamin’izany ny momba ireo tsena ao an-tanàna, izay zary nampikorontana ny tontolom-piaraha-monina tao.

Nisy àry ny fifampiresahan’ny mpivarotra sy ny ben’ny tanàna. Tao anatin’izany no nifaneken’ny roa tonta fa « tsy maintsy manangana trano eva ny mpivarotra, ary mandoa vola ho karazan’ny hetra amin’ny kaominina ». Dia nihazakazaka nanangana izay trano ho tsena izay ny mpivarotra, ary nanefa ny vola tokony harotsany ao amin’ny kitapon’ny kaomina. Taty aoriana, ny ben’ny tanàna, Ratsiraka Elysé indray no nandray fanapahan-kevitra fa tsy maintsy arodana ireo trano eva natsangan’ny mpivarotra.

Niteraka hatezerana tamin’ireo mpivarotra izany, ary nisy mihitsy ny nilaza fa « voafitaka sy nivadihan’Ingahy Ben’ny tanàna ». Isan’ny ako re avy any an-toerana koa ny fitarainan’ireo mpiara-niombona antoka tamin’Ingahy Ben’ny tanàna ka nahatafakatra azy eo amin’ny toerana maha-tompon’andraikitra voalohan’ny fiadidiana ny tanànan’i Toamasina Renivohitra azy. Ny ako re dia manipika fa korontanin’Ingahy Ben’ny tanàna sy ampirafesiny na ampiadiany ny samy mpiara-dia aminy eo amin’ny rafitra pôlitika izany.

Commentaires   

0 #1 JAOMARENGA 07-12-2016 12:56
Tsy hitako ny mahamarina ireo voalaza ireo fa ny zavatra tsapako fotsiny dia tsy ben'ny tanana HVM izy kana inonana inona hitranga dia tsy maintsy hoesorin'ny fitondrana eo izy raha mbola te hilatsaka io Rajaonarimampianina io amin'ny taona 2018.Mety ho mifanohitra amin'izay ny raharaha raha toa ka minono aoamin'ny HVM indray io ben'ny tanana io ka hanipy ny tenue MAPAR. Ireo resaka mandeha ireo dia iniana ambolena mba hanamarinana ny fanesorana azy eo amin'ny toerana. Sady tsy omena rariny no tsy omena fanampiana no sady ailikilika mba hahalasa azy ho mangidy hoditra de soloina PDS toy ny mahazatra.
Citer

Ajouter un Commentaire