Fiaraha-miasa amin’ny Sinoa: Betsaka ny tombotsoa azon’ny kaominina Ambohidratrimo
Mihamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Ambohidratrimo sy ny Sinoa amin’izao fotoana izao. Fiaraha-miasa izay nomarihana tamin’ny alalan’ny lanonana manetriketrika, izay notanterahina tao amin’ny kianja monisipaly ao Ambohidratrimo omaly alatsinainy, ary natrehan’ny solotenan’ny masoivohon’i Sina monina sy miasa eto amitsika sy ny filohan’ny fikambanan’ireo indostria sinoa eto Madagasikara. Tamin’io lanonana natao omaly io ihany dia nanolotra fanomezana ho an’ny kaominina Ambohidratrimo ny Sinoa, fanomezana izay nahitàna kojakojam-pianarana na « Kit Scolaire » ho an’ireo ankizy mianatra amin’ireo sekoly natsangan’ny kaominina, ary solosaina am-polony maro hampiasain’ireo sekoly kaominaly ireo. Marihana fa amin’ireo fokontany 9 izay mandrafitra ny kaominina Ambohidratrimo dia fokontany iray ihany sisa no mbola tsy nananganana izany sekoly izany. Raha ny fanazavana nomen-dRajaonasolo Clovis Arthur, ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, dia efa betsaka ny tombotsoa azon’ny kaominina tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny Sinoa. Anisan’izany ohatra ny fananganana ilay lycée vaovao ao Ambohidatrimo izay tafiditra ao anatin’ireo lycée tsara indrindra eto Madagasikara. Ankoatra izay dia lalana amina kilometatra maro ihany koa no nasiam-panamboarana vokatr’izay fiaraha-miasa amin’ny Sinoa izay. Nomarihan’ny ben’ny tanànan’Ambohidratrimo moa fa fiaraha-miasa samy mahazo tombony, na ilay antsoina amin’ny fiteny frantsay hoe « gagnant gagnant », ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina sy ny Sinoa fa tsy araka ny eritreritra ny sasany akory.
F.Tsihiavonana