Mihatsara ny toekarem-pirenena?: Ny fihomboan’ny fahantram-bahoaka aloha no miharihary izao
Ny solontena maharitra ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena eo anivon’ny Banky Mondialy eto Madagasikara, Rtoa Coralie Geyvers, no nanambara tamin’iny faran’ny herinandro teo iny fa “raha mitaha amin’ny fiakatry ny isan’ny mponina ny fiakatry ny harin-karem-pirenena faobe eto Madagasikara dia nisondrotra 4, 1% ny harin-karem-pirenena”. 2, 1% mantsy, hoy izy, no fiakatry ny isan’ny mponina teto nandritra ity taona 2016 ity.
Ho an’ny Banky Iraisam-pirenena dia antony nahatonga an’izany ny fisian’ny asa maro (??) izay nampihena ny tahan’ny tsy fananana asa, ny fitsanganan’ny fotodrafitrasa maro izay mipaka mivantana amin’ny fiainan’ny mponina, hono. Nisy koa, hoy ihany izy, ny fanomezan-danja ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Dia notsindriany fa nitombo 2, 6% ny tahan’ny fiakatry ny harin-karena faobe tamin’ity taona 2016 ity raha miohatra amin’ny tamin’ny taon-dasa 2015. “Mbola hihatsara koa izany rehetra izany raha mitohy ny fitokisan’ny mpamatsy vola an’i Madagasikara”, hoy hatrany i Coralie Geyvers. Isan’ny nambarany koa fa “nisy fidinany ny tahan’ny fiakatry ny vidim-piainana tamin’ity taona 2016 ity ary nihatsara ny fahasalaman’ny sandan’ny vola “ariary”.
Ndeha hoekena fa marina avokoa ireo voambara ireo, fa ny manitikitika ny fisainana dia hoe “oviana no nisy fanisana ny isan’ny mponina teto tato anatin’ny 23 taona ka nahafantaran’ny solontenan’ny Banky Mondialy fa “nihoatra ny tahan’ny fiakatry ny isan’ny mponina ny tahan’ny fisondrotry ny harin-karem-pirenena Malagasy tamin’ity taona 2016 ity?”
Moa tsy mbola iandrasana vola hampisamborin’ny Banky Mondialy hatramin’ny 25 tapitrisa dôlara ny fanisana ny mponina eto? Sao lahy ka ny isan’ny teraka nanatona tobim-pitsaboana no nifotoran’ny Banky Mondialy tamin’izany fiakatry ny isan’ny mponina izany? Tsy ampahafolon’ny teraka eto Madagasikara ange no manatona tobim-piterahana e! Izay no nahazoana antontan’isa. Mampihomehy!
Ary ilay tahan’ny fiakatry ny harin-karena faobe mba taiza no azo? Sao tamin’ny alalan’ny kirakiran-kaonty avy amin’ireo orin’asan’ny vahiny mpangoron-karena eto, toy ny Fraise, ny Colas, ny Star, ny Airtel, ny Orange sy ny namany? Ireny mantsy no niroborobo fa ny fiharian-karenan’ny orin’asa Malagasy, nitotongana. Ny orin’asan-dRajaonarimampianina no nanamarina izany satria “Expertise comptable” no sahanin’ny orin’asany. Tsy mahagaga raha mahita tarehi-marika nampitombo ny harin-karem-pirenena teto ny Banky Mondialy satria ireo orin’asa mpiara-dia aminy no tena niroborobo teto.
Toraka izany koa ny sehatry ny fiompiana sy fambolena nambarany. Misy orin’asa vahiny misahana an’ireo ange eto e! Nahoana àry no tsy mitsaha-mitotongana ny fari-piainan’ny tantsaha Malagasy, raha marina io tarehi-mariky ny Banky Mondialy io? Ny resaka fananganana fotodrafitrasa koa dia mitovy tsy misy valaka amin’izany. Ireo orin’asa tantanin’ny vahiny no nanangana fotodrafitrasa maro eto.
Toa izao tsy misy hafa ny fidokafan’ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena ny fitondrana nifandimby naloam-bahoaka teto. Tamin’ny Repoblika faharoa dia ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (Fmi) no nilaza fa “mpianatra mahatokin’ny mpamatsy vola i Madagasikara” (bon élève), ary nambara koa fa “niakatra 4, 5% ny harin-karem-pirenena faobe”, nefa tsy nisy herin-taona taorian’izay dia ny vahoaka no nanilika an’ilay fitondran’ny Repoblika faharoa satria tsy zakan’ny vahoaka intsony ilay fahantrana. Tamin’ny tapany faharoan’ny Repoblika fahatelo koa dia nodokafan’ny Banky Mondialy aoka izany ny mpitondra fanjakana teto, nanomboka tamin’ny fitondrana Ratsirahonana, ka nahatonga ity farany ho nanangana antoko hoe “Ny Asa Vita no Ifampitsarana”, ary nitohy tamin’ny fanindraindrana an-dry Tantely Andrianarivo ho tena havanana amin’ny raharaha ara-bola sy ara-toekarena. Dia nambara koa fa niakatra 5; 3% ny harian-karena faobe. Saika tsy nahatapitra ny fe-potoam-piasany anefa ilay fitondrana nitonona fa “homanista ekôlôjika” tamin’ny 2001. Nitohy tamin’ny fitondrana Ravalomanana izany rehetra izany. Nahazo volabe avy amin’ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena tokoa ry Ravalomanana, ary nambaran’ny Banky Mondialy hatrany fa “tafakatra 6,8% ny harin-karem-pirenena”. Ny 2009 anefa dia ireny nidinan’ny vahoaka an-dalambe ireny ry Ravalomanana.
Ny tian-kambara dia tsotra e! Raha nahatsiaro fa nihatsara fari-piainana ny vahoaka Malagasy dia tsy adala akory izy hitady lalana sy hevitra vaovao hirosoana amin’ny tena fiovana mba hanaisotra azy ao anatin’ny rafitry ny fampahantrana teo ambany fangejan’ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena, izay lohalaharana ao ny Banky Mondialy sy ny Fmi.
Ka izao fanehoana tarehi-marika nataon’ny solontenan’ny Banky Mondialy eto Madagasikara izao ka ilazany ny fiakatry ny harin-karem-pirenena nefa tsy misy miantefa any amin’ny vahoaka fa ny fihomboan’ny fahantram-bahoaka no mibaribary dia tena fihantsiana ny ambanilanitra mihitsy satria fandatsana azy vahoaka.