Fanoloana governemanta: Ireo mpikarama an’ady no hiditra ao
Nalaza indray tato ho ato ny tsy maintsy hirosoan’ny filohampirenena hanova na hanolo olona sasantsasany ao anatin’ny governemanta. Ny mpitazana aloha dia manipika fa ireo toerana banga, farafaharatsiny no tsy maintsy sy hofenoina, toy ny ministeran’ny Angovo, sy ny Atitany. Mety hisaorana koa ny minisitry ny Filaminana anatiny satria hoe tsy salama matetika.
Ny ankoatra izay, any ankibon’ny omby, hoy ny fitenenana.
Misy ny mieritreritra fa « hiroso amin’ny fanokafana ny governemanta amin’ireo sokajin-kery pôlitika hafa ny filohampirenena amin’io fanamboarany ny governemanta io ».
Ny poitran-kevitra ao anatin’izany dia hoe « isan’ny fepetra notakian’ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena tany Parisy Frantsa farany teo ny tokony hananganana governemanta iombonana. »
Na iombonana aloha na tsia dia mazava ny resaka fa ireo mpikarama an’ady pôlitika te hihazakazaka hahazo toerana mba ho isan’ny mpitavana no mety hiditra ao anatin’izany, raha izay tokoa no fandehany.
Raha toa kosa ka tsy izay eritreritra na vinavinan’ny mpitazana sasany izay no hitranga dia mazava ho azy fa mbola ireo mpikarama an’ady pôlitika mpanao ramasabomanga hatrany no hiditra ao anatin’izany governemanta izany.
Maro amin’ireo mpilalao pôlitika tokoa mantsy no sodokan’ny akon’ny dinika tany Parisy ka hoe « tonga ny vola » dia manantena fa « io no vahaolana » ( ???), saingy ny marina dia ny vahaolana amin’ny fahantran-dry zalahy manokana no mahadodona azy fa raha tena ny hamaha ny fahasahiranan’ny vahoaka dia tsy hivavaka sy hiankohoka mùihitsy amin’izay vola hanampy trotraka ny trosa manandevo eto.
Mazava izany fa na izay notakian’ny mpampisambo-bola tany Parisy, araka ny feo mandeha no hitranga, na ny nahim-pon’ny filoha no hirosoany, dia tsy maintsy izay mazoto hamaly ny tarigetran’ny fahazoana vola 10.000 tapitrisa dôlara no hiditra ao.
Na izany na tsy izany, tsy afaka hitazam-potsiny sy ho mpanao famakafakana dia mijanona eo isika olom-pirenena fa mitaky fandraisantsika anjara amin’ny fisakanana ny loza tsy hihatra ny toe-draharaha.
Efa hitam-poko fanta-pirenena, niaraha-niaina teto fa ny fanekena ny fepetra avy amin’ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena ho setrin’ny vola omeny hamatorana antsika no fototry ny fahantrantsika sy fahapotehan’ny firenentsika toa izao, dia mbola hikimpy hatrany ve isika ka hanome rariny ny fifanarahana mbola manohy sy manome vahana izany eto ?
Manana adidy isika olom-pirenena hikatsaka sy hiaro ny tombontsoantsika iombonantsika ka izay rehetra manelingelina na mitetika hamotika izany, izay rehetra mikiry biby hampiditra amboletra eto ny pôlitika efa nandoro ny lambantsika vahoaka, dia hifankahita amintsika eto.