Depiote Solaimana Mahamodo: “Tsy mitsinjo vahoaka ny Antenimierampirenena”
Naneho ny heviny manoloana ny zava-misy eo anivon’ny Antenimierampirenena ny solombavambahoaka voafidy tany Ambanja, Solaimana Mahamodo, izay sady filohan’ny vondrona parlemantera VPM-MMM. Ity farany izay milaza fa tsy misy na inona na inona azon’ny vahoaka antenaina intsony amin’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity satria tsy mitsinjo ny vahoaka nametraka azy teo amin’ny toerany ny ankamaroan’ireo solombavambahoaka. “Tsy mahalala afa-tsy ny tombotsoany manokana ny depiote ary manaporofo izany ireny disadisa niseho tao anaty fivoriana noho ny resaka fiara 4X4 ireny”, hoy ny depiote Solaimana Mahamodo. Torak’izany koa ny fandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakana ho an’ny taona 2017, dia tsy mijery izay mety mahasoa ny vahoaka ireo solombavambahoaka nandany izany lalàna izany fa mijery arakaraka ny ny tombotsoan’ny fitondrana. Ity olom-boafidy ity izay milaza fa ny filohan’ny Antenimierampirenena, Jean Max Rakotomamonjy, sy ny filoha lefitra Mahasoazy Freddie mihitsy no tena fositra mamotika ity andrim-panjakana noho izy ireo mandray baiko avy amin’ny mpanatanteraka. “Manjaka ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-bola eo anivon’ny Antenimierampirenena ka azo antoka fa tsy hitondra na inona na inona eto amin’ny firenena ireo solombavambahoaka ireo”, hoy ihany ity depiote ity.Tsara ny manamarika fa ny VPM-MMM dia efa nametraka ny taratasy amin’ny maha mpanohitra ny fitondrana azy. Taratasy izay efa napetraka teo anivon’ny ministeran’ny Atitany sy ny birao maharitra ny Antenimierampirenena. Ny VPM-MMM izay eo ampiandrasana ny valitenin’ny ministera mba ahafahan’izy ireo maka ny toeran’ny filoha lefitra faha 7, izay natokana ho an’ny fanoherana eo anivon’ity andrim-panjakana ity.
F.Tsihiavonana