Riana Andriamandavy VII: Saka matory no alam-bolom-bava ?
Niteraka ady hevitra teo amin’ny mpanara-baovao pôlitika maro ny teny nataon’ny filoha lefitry ny Antenimieran-doholona avy amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, Riana Andriamandavy VII ny talata teo, raha niatrika an-dry zareo loholona ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Ny fitakiany ny fametraham-pialan’ny tale jeneralin’ny Bianco no niteraka an’izay ady hevitra izay.
Marina fa tsy mbola tena matoky ny fananan’ny Bianco ny fahaleovan-tenany ny maro, ka tsy dia mbola tena resy lahatra ny amin’ny hahafahan’ity Bianco ity mandray fanapahan-kevitra amin’ny tompon’andraikitra ambony mahavita kolikoly eto na ny manodidina azy ireny, saingy misy kosa tranga azo anipazana voninkazo ny Bianco tato ho ato.
Ny voalohany dia ny fahasahian’ny Bianco nandefa tany amin’ny « Chaîne penale anti-corruption » ny raharaha Bekasy. Matoa ampitain’ny Bianco any amin’ny « chaîne penale anti-corruption » ny antontan-taratasy iray momba ny kolikoly dia karazan’ny efa mavesabesa-danja ny tena fisian’ny kolikoly ao anatin’ilay raharaha.
Ny « chaîne penale anti-corruption » moa dia manana lenta toy ny fampanoavana amin’ny raharaham-pitsarana. Ny teo anivon’ity rafitra ity no nandray fanapahan-kevitra nampiditra am-ponja an’i Bekasy tamin’ireny fotoana ireny, miandry ny fotoam-pitsarana azy, saingy noho ny fahatsapan’ny mpitondra ambony amin’izao fitantanan’ny Hvm izao fa maro amin’izy ireo no mety tsy ho afa-bela raha tena mipaka hatrany amin’ny farany ny fanadihadiana, no nahatonga ny « manam-pahefana ambony ara-panjakana » ho nitady ny fomba rehetra namoahana an’i Bekasy tany am-ponja, ary ilay tompon’andraikitra ambony (tale jeneraly) teo anivon’ny ministeran’ny Ala dia tsy namelan’i Mavoloha tamin’ny alalan’i Nicole Randrianarivo raha tsy voaroaka teo amin’ny andraikiny ny andron’ny faha-31 desambra teo.
Raha io tranga iray io izany no jerena dia nanao ny asany ary azo antoka fa nijoro tamin’ny fananany fahaleovan-tena ny Bianco.
Tranga iray koa ny momba an’i Nivo Ratiarison, talen’ny kabinetran’ny minisitry ny Serasera.
Ny tranga fahatelo dia ny fahasahian’ny Bianco nandray fepetra momba ny raharahan’ny kaominin’Ambohimahamasina ka nisian’ilay resa-be momba ny vola 396 tapitrisa ariary.
Nanana fahasahiana nampisambotra olona maromaro tamin’ity raharaha ity ny Bianco, ka isan’izany Ingahy Ben’ny tanàna ao an-toerana, ary isan’ny re fa voarohirohy tamin’izy io koa Rtoa Razaimamonjy Claudine.
May volon-tratra i Riana Andriamandavy VII ka ny alin’ny sabotsy 26 novambra, nisamborana an’ireo voarohirohy tany Ambalavao izy no nandeha nihazakazaka niazo an’Ambalavao, saingy nifandiso tety an-dalana.
Ny tanjon’i Riana Andriamandavy VII dia ny hisakana ny fisamborana satria tsy maintsy hivoaka ny marina sy ny tompon’antoka tamin’ity raharaha ity.
Niazo ny foiben’ny Bianco teny Ambohibao indray ry Riana Andriamandavy VII ny ampitso, saingy voasakan’ny tompon’andraikitra. Nikasa hatrany hampihorohoro an’Ingahy Ben’ny tanàna sy ny namany tsy hanambara ny marina rehetra.
Ingahy Ben’ny tanàna moa dia nanda ny fanenjehana azy ary namerina ny lesona nampanaovin-dry Riana Andriamandavy VII azy hoe « voaray avokoa ny vola ary vita an-tsakany sy andavany ny asa ».
Raha ny marina dia tsy ny fiarovan-tenan’Ingahy Ben’ny tanàna sy ny namany loatra no nahazoan-dry zareo fahafahana vonjy maika fa noho ny fahatsapan’ny « chaîne penale anti-corruption » fa tsy tompon’antoka tamin’ilay raharahan-kolikoly miendrika fanodinkodinana volam-panjakana izy ireo fa voatery.
Ny dikan’izany dia tsy afaka hibitaka na handihy tsy afa-tavony na hisioka satria tsy mbola tafavoaka ny ala ry Claudine Razaimamonjy. Ny antony dia mbola mitohy ny famotorana.
Noho ny tahotr’i Riana Andriamandavy VII an’izany no mahatonga azy hitaky ny fametraham-pialan’ny tale jeneralin’ny Bianco.
Mbola averinay hatrany fa nanao fanadihadiana tany Ambohimahamasina izahay fa ny trano nambara fa vita ka notokanana dia ireo trano efa voatsangana tamin’ny taona 2000 ary efa notokanan-dry Tantely Andrianarivo. Ireo no naneren-dry Claudine Razaimamonjy ny ben’ny tanàna holokoina sy havaozina, dia nambara ny vola nolaniana taminy. Dia ireo no notokanana, ary ny fitaovana tao amin’ilay hôpitaly manara-penitra tany Fianarantsoa no nafindra tany Ambohimahamasina ka nampidirina tao amin’ilay trano iray nohavaozina nambara fa « trano fitsaboana vaovao ».
Raha betsaka indrindra dia 10 tapitrisa ariary no lany tamin’ny fandokoana sy fikojakojana an’izany rehetra izany nefa nabontsina indray ny faktiora, mba hanamarinana fa fotodrafitrasa vaovao no natao, dia norahonana ny ben’ny tanàna hilaza fa « voarainy avokoa ny vola ary vita ny asa rehetra ».
Tsy misy tsinin’ilay ben’ny tanàna izany, ary izahay dia mahatsapa fa tsy ny Bianco no ndeha handany andro amin’ny zavatra hitany fa tsy mitombina. Noho izany, tsy mahagaga raha mitaky ny fametraham-pialan’ny tale jeneralin’ny Bianco i Riana Andriamandavy VII satria tsy maintsy hitohy ny fanadihadiana ity raharaha ity, ka raha tena mizotra mankany amin’ny fahamarinana ny famotorana sy fanadihadiana, dia tsy ho afa-bela amin’izy io ry Claudine Razaimamonjy.
Toa mitetika ny ho tsy maty manota hatrany koa i Riana Andriamandavy VII ka saka matory no alam-bolom-bava. Tsaroana avokoa ange na ireny raharaham-pifidianana loholona sy ny asa fampihorohoroana nataon-dry Riana Andriamandavy tamin’ny ben’ny tanàna sy ny mpanolotsainan’ny tanàna tany amin’iny faritanin’i Fianarantsoa ireny e ! Toraka izany koa ny andraikitry ry Riana Andriamandavy tamin’ny fanafihana sy fandrobana ny foiben’ny haino aman-jery Viva tao Fianarantsoa.
Raha hitodika ny talohaloha isika, fony filohan’ny « Tanora Tim » dia fantatra ny andraikitra noraisiny tamin’ilay raharahan’ny Alatsinainy 26 janoary 2009 na teny amin’ny foiben’ny Rnm-Tvm etsy Anosy na teny amin’ny foiben’ny Mbs teny Anosipatrana na ny tontolon’ny fandrobana ny tranom-barotra Magro-Tiko…