Filoha Rajaonarimampianina: Mihevitra ny mpanao gazety ho vendrana

Ny talata hariva teo no tafaverina an-tanindrazana ny solontenan’ny fitondram-panjakana nandray anjara tamin’ilay dinika nifanaovana tamin’ireo mpampisambo-bola sy mpampiasa vola mpandroba harena, izay natao tany Frantsa . Ny filohampirenena Rajaonarimampianina moa no nitarika azy ireo tamin’izany.

Naverin’ny filohampirenena ny fizahozahoany tamin’ireo resaka fahazoana vola tany. Isan’ny nambarany fa « maro amin’ireo vola voatonona ireo no tsy averintsika ». Navoitrany tamin’izany ny avy amin’ny Vondrona Eraopeanina. Efa nanaovantsika lahatsoratra teto ny momba an’io ka nanipihantsika fa « tsy misy izany fanamezana maimaimpoana izany fa tsy maintsy misy takalony (ankolaka) na ambara fa tsy averina aza. Misy koa no enti-manana tetik’asa, hoy izy, ka ny sehatra tsy miankina no misahana an’izany”. Iray amin’ireny, ohatra ny famokarana herin’aratra, araka ny hazavainay etsy amin’ny « inty sy nday ».

Fa ny tsy maintsy itondrana fanazavana dia ny fahasahian’ny filoha nilaza hoe « tsy misy firenena manerana an’izao tontolo izao ka tsy mitrosa, eny na ireo firenena efa lehibe sy mandroso aza. Milazà amiko ianareo mpanao gazety raha mahita na mahafantatra firenena tsy mitrosa. Ny fomba itantanana ny vola notrosaina no mampiavaka azy ».

Tena fiheverana ny mpanao gazety ho kentrina sy vendrana izany ka ialana tsiny amin’ingahny filohampirenena.

Voalohany aloha dia ninian’ingahy filohampirenena tsy nambara na tsy nohazavaina ny mahasamihafa ny antsoina hoe « trosa ivelany » sy « trosa anatiny ».

Ny trosa anatiny dia ny trosa ifampiraharahan’ny fanjakana amin’ny mpandraharaha ao anatiny na ny banky ao anatiny. Any amin’ireo firenen-dehibe dia io no tena mitranga fa kely ny fitrosana ivelany. Ny trosa anatiny dia mampihodina ny toekarenan’ilay firenena.

Ny trosa ivelany kosa dia ny fitrosan’ny mpitondra fanjakana amin’ny anaran’ilay firenena amin’ny sehatra any ivelan’ilay firenena ; Toa izao fifanarahan’ny mpitondra fanjakana malagasy amin’ny Banky Mondialy na Fmi na Bad na firenena iray (Frantsa, Etazonia ???) izao. Ny trosa ivelany dia tsy mampandroso ny toekarenan’ilay firenena mitrosa fa mampitombo ny fandrosoan’ilay tany mpampitrosa. Raha mindram-bola amin’i Frantsa ny mpitondra fanjakana malagasy dia ny toekarenan’i Frantsa no mandroso amin’izany fa tsy ny toekarenan’ny malagasy.

Etsy an-kilany, ny fomba fanaovana ny trosa anatiny dia ny famoronana vola (création monetaire). Marihina fa tsy mitovy amin’ny fanontana vola na « planche à billets » io. Fanao maneran-tany io, ary isan’ny endrika isehoan’ny fifampitrosana ao anatiny, ary nampandroso an’ireo firenen-dehibe.

Nahoana no ninian’ny filohampirenena tsy nohazavaina izany tamin’ny talata ?

Satria isan’ny olona mbola lalaovin’ny mpampisambo-bola iraisam-pirenena hitavanana ny harenan’ny Malagasy eto izy.

Ajouter un Commentaire