Ilakaka: Nosamborina ny mpiasan’ny Radio Jupiter

Endrika iray mampiseho ny tsy fahazakan’ny fitondrana ankehitriny ny demôkrasia ny zava-miseho any Ilakaka, faritr’Ihorombe. Namohehitra ary feno fihoaram-pefy ny fihetsika ny mpitondra fanjakana any an-toerana satria  nosamborina ny mpiasa iray tao amin’ny onjam-peo “Jupiter” noho ny tsy fahazakana demôkrasia sy ny fahalalahana maneho hevitra. Ity mpiasa voasambotra ity izay tsy iza fa ny rahalahin’ilay mpanao gazety Fernand Cello, mpilaza vaovao sy mpanao famakafakana ao amin’ity onjam-peo ity. Raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana dia ity mpanao gazety ity mihitsy no nokasaina ho samborina saingy tsy tao amin’ny toeram-piasany izy tamin’io fotoana io fa ny rahalahiny no sendran’ireo mpitandro filaminana. Tsiahivina ihany fa tao anatin’ny andro vitsy izay dia niteraka resabe any Ilakaka ny vaovao momba ity onjam-peo tsy miankina iray ity satria nandeha ny feo  nanomboka tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo fa ho hakaton’ny prefektioran’ny pôlisy any an-toerana ny onjam-peo. Ny Radio Jupiter izay tsiahivina ihany fa tsy sasatra ny mamaoka ny vaovao marina rehetra ao Ilakaka sy any amin’ireo tanàna manodidina, vaovao izay manohintohina an’ireo manam-pahefana ao amin’ity tanàna ity, indrindra fa ny ben’ny tanàna izay avy amin’ny antokon’ny fitondràna. Manoloana izay fikàsan’ny solotenam-panjakana hanakatona ny onjam-peo Jupiter izay dia niantso ny vahoakan’Ilakaka mba hijoro hanohitra ny tsy rariny mahazo ny orinasa iasany ny mpanao gazety Fernand Cello, omaly. Ny ankamaroan’ny vahoaka ao Ilakaka izay marihina fa sorena amin’ny ben’ny tanàna noho ny fitantanana tsy mandeha araka ny tokony ho izy, ao anatin’izany ohatra ny fakàna vola diso tafahoatra amin’ny mponina. Manameloka tanteraka an’izao fanaparam-pahefana natao amin’ny onjam-peo Jupiter izao moa ny AJRP na ny fikambanan’ireo mpanao gazety amin’ny onjam-peo tsy miankina  izay tarihin’i Soava Andriamarotafika.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire