Ady amin’ny kolikoly avo lenta: Miaro an’ireo tsy maty manota ny filohampirenena ?
Raharaha iray nitana ny fisainan’ny mpanara-maso ny raharaham-piaraha-monina ankapobeny ny akon’ny fitakian’ny loholona Riana Andriamandavy VII ny fametraham-pialan’ny tale jeneralin’ny Bianco.
Nitana ny sain’ny maro izany satria toa mahavariana ny mieritreritra ilay fitakiana. Raha olona hafa i Riana Andriamandavy dia mety ho azo noheverina hoe “misy rariny amin’ilay fitakiana”. Raha ny fanazavany mantsy dia hoe “tsy mitana ny tsiambaratelon’ny famotorana ny tale jeneralin’ny Bianco”. Soa fa efa nitondra fanazavana ingahy tale jeneraly, ary nanipika fa “tsy misy tsiambaratelo ny zavatra natao ary tsy nisy hoe nabaribary”.
Tsy olona hafa fa voasaringotra amin’ity Raharahan’Ambohimahamasina sy ny ao Matsiatra Ambony ity, izay nandraisan’ny Bianco andraikitra, ny loholona Andriamandavy, na tiana na tsy tiana. Noho izany, mazava ny resaka fa fiarovan-tena sy fiarovana ny olona akaiky azy izay isan’ny voasaringotr’ity raharaha ity (Razaimamonjy Claudine) no mahadodona azy ka nahatonga ny fitakiany ny fametraham-pialan’ny tale jeneralin’ny Bianco, Andriamifidy Jean Louis.
Raha manadihady eny rehetra eny ianao, dia ny olona miaro tombontsoa manokana satria manana kopaka isasahana amin-dry Claudine Razaimamonjy ihany no miaro sy miombom-peo amin’i Riana Andriamandavy. Ny ankoatra izay dia manome tsiny azy avokoa, ary mitaky azy akory aza hametra-pialana amin’ny maha-loholon’i Madagasikara azy, satria fihetsika tsy mendrika ary tsy manome hasina ny maha-olom-boafidy ambony toa azy ny teny nataony. “Tsy azo eritreretina mihitsy hoe loholon’i Madagasikara no hiaro ny mpanao kolikoly ka hitaky ny fametraham-pialan’ny olona misahana andraikitra momba ny ady hamongorana ny kolikoly”, hoy ny maro.
Etsy ankilany, miantefa mivantana any amin’Ingahy Filohampirenena koa ny antso sy ny mason’ny mpanara-baovao. Raha tena marina amin’ny tenany ny filohampirenena dia manao fanambarana mivantana fa “amin’izao fotoana izao dia tsy mifandray ary manasa tanana amin-dRtoa Razaimamonjy Claudine ny tenako, ary manome alalana sy fahaleovan-tena tanteraka ho an’ny Bianco sy ny rafitra ara-pitsarana manao ny fanadihadiana sy famotorana momba ity raharahan’Ambohimahamasina ity, sy ny hafa, mba hanatanteraka araka ny fahaiza-manaony sy ny lalàna ary ny rariny ny asany”. Tokony hitsotra koa ka hampisongadina ny fahendren’ny mpitondra fanjakana Malagasy fahagola, ny Masina Andrianampoinimerina, izy hoe “ny fanjakako tsy ananako havana fa rehefa vandana dia kary”.
Raha tsy ny filohampirenena no manomboka mampiseho finiavana, ary tena mampihatra fa tsy manao sarimehitsika na “sinema” fa miroso amin’ny famongorana ny kolikoly sy manafay ny mpanao kolikoly eto, dia tsy hisy hino fa tena izany tokoa no ataony.
Raha mbola any amin’ny hoe “aleo ny lasa momba ny lasa” ka omena karazana famotsoran-keloka (amnistie) hatrany ireo nahavanona nanao kolikoly avo lenta eto fa tsy saziana ary manonitra ny vokatry ny kolikoly avo lenta vitany ho an’ny firenena, dia zava-poana ny akon’ny fanambarana rehetra ataon’ny filoha, fa hosokajian’ny vahoaka ho “mpiaro ny mpanao kolikoly” hatrany izy.
Toamasina: Miasa tokoa ve ny Ladoany ao ?
Miteraka resabe eo anivon’ny mpandraharaha ny zava-mitranga ao amin’ny ladoany ao Toamasina.
Fanontaniana no apetraka noho ny fandrenesana ny tsirambina ao amin’ny Ladoanin'i Toamasina. Ny hetsika ataon’ny minisitra mpiahy no irariana hitondra ny valiny mba tsy haha tompon-trano mihono ireo manan-draharaha ao. Tamin’ny voalohandohan' ity volana desambra ity dia maro amin’ireo mpandraharaha no mitaraina amin'ny fitondrana mitanila ao Toamasina ao. Tamin'izany no nandrenesana fa nisy entana tamin'ny kaontenera maro “tena anjatony” tafiditra, saingy tsy nanaraka ny famoahan’entana araka ny tokony ho izy. Tsy nanara-penitra e ! Mandeha ny feo fa "an'olona ambony ao amin'ny Prezidansa" hono ilay entana! An'ny fianakavian'ny Filoha ve ? Sa an-dRtoa vadiny ? Sa olona ambony iza ? Praiministra ve ?