Ambatofinandrahana: Mpianatra 6 no indray maty nilatsaham-potaka
Miaina ao anatin’ny alahelo lehibe ny mponina any Ambatofinandrahana, amin’izao fotoana izao. Mpianatra miisa 6 ao amin’ny sekoly katolika Sainte Thérèse, any amin’ny tanàna iray 140 km miala ny tanànan’Ambatofinandrahana no indray namoy ny ainy rehefa nilatsaham-potaka, ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny 2 ora tolakandro. Ankizy mpianatra tao amin’ny efitrano fianarana 2 samihafa, kilasy faha 6 sy kilasy faha 5 ireto niharan-doza ireto. Ankoatra ireo namoy ny ainy dia mpianatra miisa 31 ihany koa no fantatra fa naratra mafy ary maro amin’izy ireo no mbola tsaboina any amin’ny hôpitaly. Marihina fa tsy nisy oram-be tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza fa maina tanteraka ny andro raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Izay loharanom-baovao izay ihany no nahafantarana fa nilatsahan’ny varatra tamin’io fotoana io ihany koa ny “pylône” lehibe fampiasan’ireo orinasam-pifandraisan-davitra.
F.T.