Inty sy Nday: Mpitondra mbola voabaikon’ny vahiny hatrany e !
Vita tamin’ny taon-dasa ny toho-drano any amin’iny faritr’i Bamangoky iny. Ny fanadihadiana natao dia nanasongadina aloha fa tsy manara-penitra ary tsy anantenan’ny vahoaka tantsaha vokatra tsara loatra amin’ny fampidiran-drano hiantohana ny fambolena ataon’izy ireo io toha-drano io satria mifandiso ara-teknika. Avo noho ny rano hotohanana, hoy ny ako avy any an-toerana.
Fa hiditra amin’ny fitarihana ny renirano hisandrahaka any anivon’ny toeram-pambolena ny fitondram-panjakana. Izany hoe hanajary tata-drano, toy ny tamin’ny orin’asa Samangoky tany ambadika ny 25 taona lasa tany izany e !
Ny mahavariana dia ny fahenoana fa orin’asa any Frantsa no nosafidiana hanao ny fanadihadiana (bureau d’etude) momba izany.
Dia zendana ny saina mieritreritra hoe « efa vokatry ny asan’ny manam-pahaizana vahiny no nampifandiso an’ilay tohodrano, izay nandanian’ny vahoaka malagasy vola satria vola nampindramin’ny vahiny no nenti-nanana azy io, dia mbola orin’asa avy any ivelany koa no asaina manao ny fanadihadiana momba ny tetik’asa hitarihana ny rano hanondrahana ny lemak’i Bamangoky ». Ny manam-pahaizana malagasy sy ny orinasa malagasy mihitsy no tohina amin’izany, ary tompon’andraikitra tsy afa-miala amin’izany izao fitondrana Rajaonarimampianina izao.
Firifiry akory ny orinasa malagasy mampiasa malagasy, ary tena havanana sy manana traikefa, afaka miantoka ny fanadihadiana momba izany, nefa dia aleon’ny fitondrana Hvm miantehitra amin’ny any ivelany. Efa endrika iray ibaribarian’ny resaka hoe «ny antsika ihany no anajany antsika ange izany e !» Tsy tokony hadinoina fa vola nosamborina tamin’ny anaran’ny vahoaka malagasy no enti-manana an’io tetik’asa fitarihana rano hanondrahana ny tanim-bary any Bamangoky io. Ny dikan’izany dia masi-mandidy amin’ny fanatanterahana azy io ny vahoaka malagasy. Izao fanaramana orinasa mpanao fanadihadiana avy any ivelany izao dia midika hatrany fa ny vola nosamborina amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy dia tsy maintsy oneran’ny vahoaka any aoriana any, arakaraky ny fifanarahana, fa ankoatra izay dia averina any amin’ny mpampisambotra koa ny tombontsoa avy aminy, noho ny asa nanaramana ny orinasa avy any. Tsy maintsy baiko avy amin’ny mpampisambo-bola izao no nahatonga izany, ary endrika ibaribarian’ny tsy fananan’ny mpitondra fanjakana hazon-damosina miaro ny tombontsoam-pirenena sy ny fahaleovan-tenam-pirenena.
Tsy afaka miteny mihitsy ny fitondrana ankehitriny fa « manatanteraka ny hetahetan’ny vahoaka ho amin’ny fampahombiazana ny fanovana notakiana », satria mbola ny fanao nahazatra an’ireo mpitondra nifandimby teto, ka nampitondra faisana ny vahoaka hatrany sy namotika ny firenena hatrany no mbola tohizan’ny ankehitriny sy hamafisiny.
Rainisoa