Soarano: Nifandona indray ny pôlisy sy ny mpivarotra

Tantara tsy misy fiafarany mihitsy ity olan’ny fivarotana amoron-dalana eto Antananarivo Renivohitra ity. Tsy mbola ho voavaha ao anatin’ny fotoana fohy mihitsy izany olana izany raha ny fahitana azy na dia eo aza ny fepetra entitra raisin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Kaominina amin’ny fanesorana ireo mpivarotra. Nisavoritaka ny tetsy Soarano omaly maraina noho ny fifandonana nisy teo amin’ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna sy ny pôlisy. Vao maraina ny andro no efa nanomboka nivarotra teo amoron’ny arabe tetsy Soarano, manakaiky ny “building” Ramaroson iny ireo mpivarotra tahaka ny fanaon’izy ireo isan’andro. Rehefa tonga ny pôlisy monisipaly izay nikàsa ny hanala ireo mpivarotra dia tsy nanaiky ireto farany ka niezaka nanohitra ireo pôlisin’ny fivondronana. Ireo mpivarotra amoron-dalana izay nangataka ny mba ahafahan’izy ireo mivarotra ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Mazava ho azy fa tsy nanaiky izany fangatahana izany ireo pôlisy monisipaly, ireto farany izay nilaza fa baiko no azony ka tsy maintsy tanterahina. Teo no nanomboka ny fifamaliana satria dia voatabataba sy voaompa ireo mpiasan’ny fivondronana ary voatora-bato mihitsy aza. Noho ny fahavitsian’izy ireo manoloana ny isan’ireo mpivarotra dia tsy afaka nanohitra ireo pôlisy monisipaly ka niantso ny pôlisim-pirenena. Tapaka tanteraka moa ny lalana tamin’io fotoana io satria nisy tamin’ireo mpivarotra no nipetraka teo afovoan’ny arabe. Avy hatrany dia niezaka nanaparitaka ireo mpivarotra nitroatra ny mpitandro filaminana rehefa tonga teny an-toerana ary tsy afaka nanohitra intsony ireo mpivarotra nitokona. Nampiasa herisetra ireo pôlisy ary nisy tamin’ireo mpivarotra no torana tsy nahatsiaro tena noho izay fihoaram-pefy nataon’ny mpitandro filaminana izay. Mandrapaharivan’ny andro moa dia voatery nijanona teny an-toerana foana ireo pôlisin’ny fivondronana mba tsy hiverenan’ireo mpivarotra intsony. Ny somary nahagaga anefa dia teo anoloan’ny “building” Ramaroson etsy Soarano ihany no azo ambara fa nadio ny sisin’arabe (trottoir) fa ny faritra rehetra manodidina dia rakotra mpivarotra amoron-dalana avokoa. Marihina fa izao mbola tapa-bolana mialohan’ny fetin’ny Krismasy izao dia efa manomboka tsy ho voafehy intsony ireo mpivarotra amoron-dalana kanefa mbola hitombo betsaka ny isan’izy ireo rehefa tena akatoka ny fety iny.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire