Rasolo André: «Tsy itokisan’ny vahoaka intsony ny fanjakana»

Anisan’ireo Malagasy manam-pahaizana amin’ny resaka sosiolojia pôlitika, mpampianatra eny amin’ny anjerimanontolo, ary mpandinika ny raharaham-pirenena ny profesora Rasolo André. Ity mpampianatra ity izay mahita, araka ny fandalinana nataony fa misy olana lehibe, ara-pôlitika, ara-toekarena, ary ara-tsosialy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ka lasa sakana tsy ahafahan’ny firenena mandroso. « Anisan’ny olana tena goavana ary ho sarotra ny hamaha azy dia tsy misy intsony fahatokisan’ny vahoaka ny fitondràna misy ankehitriny”, hoy i Rasolo André. Manaporofo izany hoy izy dia goavana ny famatsiam-bola 10 miliara dôlara izay nampanantenain’ireo mpampitrosa vola mahazatra tany Parisy kanefa tsy mba taitra amin’izany akory ny Malagasy. Izany tsy firaharahian’ny vahoaka izany dia taratra ny tsy fisian’ny fifampitokisana eo amin’ny mpitondra sy ny vahoaka entina. Tsy tongatonga ho azy anefa izany fihetsika ny vahoaka izany fa misy antony matoa tonga amin’izany ny zava-misy eto Madagasikara, hoy ity manam-pahaizana amin’ny resaka pôlitika ity. Raha ny fahitany ny toe-draharaha misy ankehitriny, ho sarotra ny hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka ny fanjakana ary izany dia midika fa ho sarotra ihany koa ny hisian’ny fampandrosoana eto amin’ny firenena. Raha ny mikasika ilay famatsiam-bola 10 miliara dôlara nampanantenain’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena dia nilaza Rasolo André fa tokony hangarahara tanteraka ary hampafantarina ny vahoaka amin’ny antsipiriany ny vola ho ampindramin’ireo mpamatsy vola tsirairay avy, ny vola tsy averina, ny fotoana mety hivoahan’ny vola sy ireo fepetra rehetra takian’ireo mpampitrosa amin’ny fanjakana Malagasy. Izany no tena atao hoe fanjakana tsara tantana ao anatin’ny mangarahara, fototra hiorenan’ny fampandrosoana, hoy hatrany i Rasolo André. Raha ny mahakasika ilay fihaonana an-tampon’ny Frankôfônia natao teto amintsika farany teo dia nilaza ity mpandalina ny raharaham-pirenena ity fa tsy nisy izay mangarahara izay tamin’ny ankapobeny, indrindra fa teo amin’ny vola nolaniana tamin’ny fikarakarana azy.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire