Soamahamanina: Nifindra any Ambatofinandrahana sy Fandriana

Ao Antsahakely ao amin’ny kaominina Soavina ao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana sy ao kaominina  Tatamalaza ao amin’ny distrikan’i Fandriana indray no lasibatrin’ny fitrandrahana vatosoa sy volamena izay ataon’ny sinoa eto Madagasikara indray amin’izao fotoana izao. Nanomboka tamin’ny volana novambra 2016 iny dia fiara vaventy sy fitaovana fitrandrahana vatosoa no tonga ao Antsahakely ao Ambatofinandrahana. Vato malakita sy volamena no hotrandrahan’ireto sinoa ireto ao amin’ity toerana ity. Efa tafapetraka hatramin’ny orinasa hanao izany. Tsy azo idiran’olona intsony ankehitriny ny toerana misy azy ireo. Na hatramin’ny olom-boafidy any an-toerana dia tsy raisin’ny sinoa intsony raha mangataka fanazavana amin’izy ireo. Ny vato malakita dia voalaza fa mitahiry volamena koa ary tsy misaraka amin’ity vato ity. Efa tonga hatrany amin’ny manodidina ny toerana anaovan’ny sinoa fikarohana amin’izao fotoana izao ka ny fokontany ao Itaty no efa lasibatra amin’izany koa. Ny fahatongavan’ny fitaovana lehibe tamin’ny voalohandohan’ny volana desambra 2016 ity no nisarika ny mponina manodidina sy ny vahoaka any amin’ny kaominin’i Soavina amin’izao raharaha izao. Nifamory noho izany ny zanak’ity distrika ity mahakasika izao fitrandrahana ataon’ny sinoa izao noho ny fitarainan’ny mponina any an-toerana amin’izao raharaha izao satria dia tsy misy fanajana ny mponina any an-toerana mihitsy ny fitrandrahana ity.

Amin’izao fotoana izao koa dia misavoritaka ny mponina ao amin’ny kaominina Tatamalaza ao amin’ny distrikan’i Fandriana.Tonga any an-toerana koa ny sinoa manao famaritana tany hitrandrahana volamena ao amin’ity toerana ity. Ampidirin’ireto sinoa ireto ao anatin’ny toerana hitrandrahana avokoa hatramin’ny tanin’ny olona tsotra izay misy ny fivelomany. Toa izany koa ny toerana izay misy ny ala any amin’ity toerana ity. Taratasy avy aty amin’ny fanjakana foibe no voalaza fa manome fahefana ireto sinoa ireto ka ahazoany manao izao famaritana tany hitrandrahana volamena izao. Atahorana ny hisian’ny fifandonana any an-toerana amin’ity raharaha ity. Azo lazaina fa mafanafana ihany ny raharaha any an-toerana raha ny vaovao azonay farany tamin’ny faran’ny herinandro iny. Marihina fa efa nosakan’ny vahoaka ny fitrandrahana nataon’ireto sinoa ireto tao  amin’ny kaominina Tsarazaza  ao Fandriana volana vitsy izay, ka izao manao findra-tsokina izao indray ireto sinoa ireto. Mbola taratasy avy aty amin’ny fanjakana foibe ihany no voalazan’ny mponina any an-toerana fa manome alalana ireto sinoa ireto. Maro ny fepetra takian’ny lalàna no tsy arahan’ireto sinoa ireto. Ho hitan-tsika ny tohin’ireto raharaha roa ireto amin’ny andro manaraka.

Nangonin’i

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire