Fikambanana T.V.M: Mibaribary ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra
Tsy azo ekena intsony ny mbola hitohizan’izao fitondràna izao noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra satria dia ho potika tanteraka ny firenena, raha ny nambaran’i Razafindratoha Olivier Vaovolo, filohan’ny fikambanana T.V.M na Tolon’ny vahoaka Malagasy. Na inona na inona ady hevitra dia tsy azo lavina fa latsaka ankaterena ny firenena Malagasy ankehitriny. Amin’ny lafiny sehetra rehetra, na eo amin’ny lafiny pôlitika, na ara-toekarena, na ara-tsosialy dia mibaribary toy ny vay an-kandrina ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Manoporofo izany hoy ny T.V.M ny fanambarana ataon’ireo fiarahamonim-pirenena samihafa, ao anatin’izany ny Sehatra Fanarahamaso ny Fiainam-pirenena na ny SEFAFI. Hatramin’ireo Eveka katolika aza dia sasatry ny mamerimberina an’izay tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra izay, hoy ihany i Razafindratoha Olivier Vaovolo. Ity mpandalina ny raharaham-pirenena ity dia mitaky ny tokony hanafoanana ny Antenimieram-pirenena noho ireo solombavam-bahoaka efa mivaona amin’ny andraikitra tokonyho sahaniny.
F.T.