Satrokala: Manohitra ny orinasa Tozzi-green ny vahoaka

Orin’asa iray ao kaominina Satrokala ao amin’ny faritra Ihorombe ny orinasa Tozzi-green, izay manao fambolena amin’ny velaran-tany midadasika. Mahatratra 10 000 hektara mahery ny velaran-tany ambolen’ity orinasa ny “jatropha” na ilay hazo manome voa atao solika natoraly ireny. Efa nanomboka nanao famokarana tao an-toerana hatramin’ny taona 2006 ity orinasa vahiny ity sy ny orinasa iray antsoina hoe Land Mark. Ity iray farany moa dia niala tsy hanao fitrandrahana intsony nanomboka ny taona 2014. Tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambatolahy ity orinasa faharoa ity no mipetraka. Ankehitriny ary dia voalazan’ny mponina any an-toerana izay soloan’ny fikambanan’ny terak’Ibara ao Ihorombe Razafimandremaka Emile Thomas sy ny raiamandreny maro niaraka taminy avy any an-toerana ka tonga aty Antananarivo amin’izao fotoana izao fa fitaka no nataon’ny orinasa any amin’ny faritr’i Satrokala sy Ambatolahy amin’ny fahazoana ny tanin’izy ireo.  Tany amboalohany dia niteny ny orinasa fa hazo tsy hanin’ny omby no hovolena ao amin’ity toerana ity. Afaka mihinana tsara eny anelanelan’ny voly ny omby hoy ihany izy ireo. Handray mpiasa avy ao an-toerana koa ny orinasa, ary hisy ny fanampiana ara-tsosialy hataony amin’ny vahoaka. Voalazan’ireto olona ireto izay nisolo tena ny vahoaka avy any Satrokala sy Ambatolahy omaly raha namory mpanao gazety tetsy Tsimbazaza izy ireo fa voly katsaka indray ankehitriny no nataon’ny orinasa Tozzi-green ity ka tsy azon’ny ombin’ireto mponina nohitsahina intsony ny toerana rehetra misy fambolena. Tsy misy koa ny olona miasa nalainy avy any an-toerana ary maro koa ny barazy simba fambolen’ny mponina ny hanina ho haniny. Ny omby hoy ihany ny fanazavana nomen’ny solotenan’ny mponina ireto no harena sy zo ary kolotsain’ny Bara nefa dia simbaina izany ankehitriny. Noho izany dia manainga ny fanjakana hijery haingana ity raharaha ity ny mponina any an-toerana hialana amin’ny mety hisian’ny fifandonana amin’ny orinasa sy ny mponina.

Nangonin’i

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire