Fanavaozana « Permis »: Nahemotra amin’ny 31 Martsa ny fe-potoana farany

Niverina tamin’ny fanapahan-keviny ny CIM (Centre d’Immatriculation). Noho ny fahamaroan’ireo olom-pirenena mbola tsy nahavita nanavao ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiarakodia (permis de conduire) ho “Biométrique”, dia nanapa-kevitra ny CIM fa hahemotra amin’ny faran’ny volana martsa amin’ny taona ho avy ny fe-potoana farany ahafahana manao ny fanavaozana, araka ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny CIM, Hyacinthe Rajaonarison, omaly. Raha ny momba ny “Carte Grise” kosa dia tsy mihemotra ny daty efa napetraka tany amboalohany fa tazonina ny 31 desambra amin’ity taona ity. Raha ny antontan’isa navoakan’ity ivon-toerana ity dia miisa 2 alina sy 1 hetsy ny isan’ireo “cartes grises” efa navaozina ho “Biométrique” raha toa ka 3 alina sy 1 hetsy kosa ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiarakodia. Tsara ny manamarika fa tato anatin’ny tapa-bolana teo izay dia filaharana tsy misy toy izany no hita etsy Ambohidahy ary mahatratra arivo mahery ny isan’ireo olona milahatra hanavao ny taratasy fahazoan-dalana mitondra fiarakodia.  Misy aza ireo mitandahatra manomboka amin’ny 11 ora alina. Etsy ankilan’izay, araka ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny CIM ihany, dia “permis biométrique” hosoka miisa 101 no tratra hatramin’ny omaly ary olona 4 no nampidirina am-ponja.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire