Lalànan’ny fampihavanana: :Tsy afaka milatsaka i Ravalo sy Andry Rajoelina

Vita omaly ny fandaniana ny lalàna mahakasika ny fampihavanam-pirenena izay natolotra ny governemanta tetsy amin’ny Antenimierampirenena tetsy Tsimbazaza. Ireo disadisa pôlitika nisy teto Madagasikara hatrany amin’ny repoblika voalohany no voakasik’ity raharaha ity, nefa dia nasongadiny manokana ny raharaha tamin’ny taona 2001 sy 2009 iny. Mitondra ny volavolan-dalàna laharana faha 010/2016 tamin’ny 20 may 2016 momba ny fampihavanam-pirenena ity lalàna vao lany omaly ity. Lany nisy fanitsiana ny lalàna raha nisy fanitsiana ny andiany sasantsasany tamin’ity tolo-dalàna ity rehefa avy natolotra ny fivoriana itambarambe ary azon’ny olona rehetra natrehana tetsy Tsimbazaza. Ankoatra ny fampihavanam-pirenena izay voalaza ao amin’ity lalàna ity dia isan’ny zava-dehibe ihany koa ny mahakasika ny famotsoran-keloka (amnistie) sy ny ho vokatr’izany amin’ny fananan’ny olom-pirenena zo hilatsaka hofidiana sy handraisany anjara amin’ny fifidianana manomboka amin’ny taona 2018 izao. Io raharaha io no tena niteraka ady hevitra lehibe teo amin’ireo solombavambahoaka tao Tsimbazaza. Vita hatreo ny amin’ingahy Ravalomanan Marc sy Andry Nirina Rajoelina hoy ny mpomba azy omaly rehefa vita ny fandaniana. Ny depiote Mapar ( Miaraka amin’ny prezida Rajoelina) sy ny depiote TIM (Tiako Madagasikara) izay antokon’ingahy Marc Ravalomanana  ankilany, ary ny depiote HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara) sy ny mpomba ny fanjakan’ingahy Hery Rajaonarimampianina andaniny no nifampitana mafy ny amin’ny fanovana ny an-dalany maro amin’ity tolo-dalàna ity. Ny andininy faha 47 no tena niadiana mafy tamin’izany satria mamaritra ny olona tsy mahazo famotsoran-keloka amin’ity tolo-dalàna ity. Voalazan’io andininy io fa tsy mahazo famotsoran-keloka (amnistie) ny olona izay tafiditra amin’ny heloka amin’ny famonoan’olona faobe na “crimes contre l’humanité”, sy ny famonoan’olona faobe vokatra ny ady  na ny “crime de guerre”, ny famonoana olona faobe na  ny “genocide” ary koa ny mahakasika ny fandikana ankarihary ny zon’olombelona ary ny fandikana ny lalàna amin’ny zo fototra rehetra na ny “ violations flagrantes des droits de l’homme et atteintes aux libertés fondamentales”. Nomarihana manokana ao amin’ity andininy ity izay voakasika ny andininy eo aloha ny  mahakasika ny famonoana olona, dia ny antsoina hoe “meurtre” sy ny “assassinat”, ary koa ny fanampoizinana izay sazian’ny lalàna ao amin’ny “code penal” ao amin’ny andininy faha 295 ka hatramin’ny 304. Ary lalàna laharana  2008-008 tamin’ny 25 may 2008 mahakasika ny antsoina hoe “actes de torture” na ny fampijaliana olona amin’ny habibiana.

Io andininy io no niadian’ny Mapar sy ny Tim ho foanana ary nasiana fanitsiana nefa tsy afa-nanoatra teo anatrehan’ny mpomba an’i Hery Rajaonarimampianina izy ireo ka resy. Voalazan’ny depiote avy amin’ny Tim sy Mapar fa fanakanana an’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina amin’ny fifidianana amin’ny 2018 ity raharaha ity mba tsy hahazoan’izy ireo hilatsaka hofidiana. Marihina fa maina toa ny kitay ireo solombavambahoaka avy amin’ ireo antoko roa ireo omaly rehefa vita ny fifidianana.

Minisitra 14 avy amin’ny governemanta no tonga teny Tsimbazaza omaly nanohana ny fandaniana ity tolo-dalàna ity izay notarihin’ny praiminisitra Mahafaly Olivier Solonandrasana sady misahana ny minisiteran’ny Ati-tany koa. Sambany tao anatin’ny telo taona no vory be toa izao ny minisitra tao amin’ny governemanta nanatrika ny fandaniana lalàna iray. Midika izany fa zava-dehibe loatra ho an’ny fanjakana amin’izao fotoana izao ity raharaha ity.

Tsy ny minisitra ihany no tsikaritra teny Tsimbaza fa hatramin’ny zandary maromaro avy amin’ny Emmo-Sécurité milanja galona na kôlonely sy kapiteny ary lietnà. Fihetsika izay tsy mbola fahita firy satria dia manao fanamiana miaramila hiady ireny izy ireto (tenue de combat). Nisy koa ny mpitsikilo hafa avy amin’ny fitondram-panjakana.

Ny depiote niady hevitra omaly koa dia nanambara fa nisy ny fihaonana manokana nanasana ny depiote maromaro tany amin’ny toeram-pandraisam-bahiny Colbert tamin’ny alatsinainy 12 desambra 2016 hariva, amin’ny fampandaniana ity lalàna ity izay notarihin’ny minisitra maromaro.

Inona no ho fihetsik’ingahy Andry Rajoelina sy Ravalomanana Marc amin’ izao fanilihana azy ireo ankolaka amin’ny fifidianana amin’ny 2018 izao ? Andrasan’ny mpanaraka ny toe-draharaham-pirenena koa ny hataon’ireo mpomba azy ireo satria maro ny resaka mandeha amin’ity raharaha fanilikilihana ity. Ho hitantsika ny tohiny.

Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire