Raharaha Augustin Andriamananoro: Mbola tsy nihetsika tao amin’ny zandary omaly

Nanakoako omaly vao maraina fa « anio no hiakatra eo anoloan’ny fampanoavana i Augustin Andriamananoro ». Niandry sy nanara-maso ny tohiny ny maro. Hatramin’ny omaly hariva, tokony ho tamin’ny 7 ora aloha, dia samy mbola niandry vasoka tao Miarinarivo ny rehetra. Mbola eo anivon’ny zandary mpanao famotorana izy. Ny famotoran’ny zandary anefa aloha, karazan’ny efa vita fa miandry ny toro-marika na baiko momba ny hanolorana azy ny fampanoavana ny tany.

Ny anio indray izany aloha no hojerena fa ny omaly dia tsy nisy fiovana fa tao amin’ny biraon’ny zandary hatrany no nitanana an’i Augustin Andriamananoro.

Ny manitikitika ny fisainana dia hoe « sanatria ve dia hafindra toerana amin’ny alina no hanaovana ny fakana am-bavany azy eo anivon’ny fampanoavana ? »

Raha ny lalàna aloha dia toerana roa ihany no ahafahana manatanteraka ny famotorana azy eo anivon’ny fampanoavana. Na amin’ny fitsarana misy ny toerana nitrangan’ny raharaha, na amin’ny fitsarana misy ny toerana onenan’ilay olona voarohirohy.

Raha ny fanaon’ny mpitondra jadona matahotra vahoaka anefa dia mety hotereny ny tompon’andraikitra hamindra amin’ny toerana hafa mihitsy ny raharaha ka hanamora fampiharana ny fepetra tian-dry zareo hatao amin’ny olona toa an’i Augustin Andriamananoro.

Fa na izany na tsy izany, maro koa ny mpanara-baovao no mifanontany teo anoloan’iny fisamborana an’i Augustin Andriamananoro iny hoe « ary rahoviana no hisamborana an’i Claudine Razaimamonjy ? » Raha ny raharahan-keloka mahavoatonona matetika an’i Claudine Razaimamonjy mantsy dia efa tokony ho isan’ny manampy isa an’ireo vehivavy tanana am-ponja izy amin’izao fotoana ifampiresahantsika izao.

Ajouter un Commentaire