Augustin Andriamananoro: Nafindra mangingina aty Antananarivo

Raharaha mbola tsy mifarana ary mbola mibahana eo amin’ny tontolon’ny fampahalalam-baovao eto amintsika ny fisamborana sy ny fitanana an’i Augustin Andriamananoro. Araka ny loharanom-baovao azo antoka, dia fantatra fa nafindra mangingina aty Andrenivohitra omaly vao mangiran-dratsy ity mpanao pôlitika avy amin’ny antoko MAPAR ity rehefa notanana nandritra ny 3 andro mahery tao amin’ny borigadin’ny zandary tao Miarinarivo. Nafenina moa ny famindràna azy taty Antananarivo satria tsy nampahafantarina izany mihitsy ny mpisolovavany sy ireo olona akaiky azy. Tahaka izany koa ny toerana hitanana azy dia tsy fantatra fa nafenin’ny zandary noho ny antony tsy mazava. Tsiahivina ihany fa araka ny fanazavana nomen’ny tonian’ny mpampanoa lalànan’ny repoblika, Razafintsoa Odette, dia fanohintohinana ny filaminam-bahoaka tamin’ny alalan’ny famporisihana ny vahoakan’i Soamahamanina hitroatra no vesatra hiampangana an’i Augustin Andriamananoro. Mazava ho azy fa nohalavaina ny fitanana azy, na ny « garde à vue » izay tokony haharitra 48 ora ihany raha ny voafaritra ny lalàna. Tamin’ny talata teo moa no tokony niakatra fampanoavana tetsy Anosy i Augustin Andriamananoro saingy tsy mbola nisy izany hatramin’ny omaly hariva. Raha ny fahitàna ny toe-draharaha misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao dia mety tsy hanamarika ny fetin’ny Noely sy ny Taom-baovao miaraka amin’ny fianakaviany ity minisitra teo aloha ity satria mety ho hampidirin’ny fitsarana any am-ponja tahaka izay natao tamin’ireo mpitolona miisa 4 izay nosamborina tao Soamahamanina nandritra ny fihetsiketsehana niteraka fifandonana tamin’ny mpitandro filaminana, ny faran’ny volana Aogositra lasa teo.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire