Delestazy : tapaka tao anatin’ny 14 ora ny jiro teny Mahazoarivo

Tena tsy voafehin’ny fanjakana intsony ny fahatapahan’ny jiro amin’ny Jirama eto Antananarivo sy manerana an’i Madagasikara. Porofo mitohoka amin’ny tenda ny fahatapahan’ny jiro teny Mahazoarivo sy ny tanàna manodidina azy tamin’ny alatsinainy sy ny talata faha 13 sy 14 desambra 2016 lasa teo. Tamin’ny 5 ora hariva no maty ny jiro ka tsy niverina raha tsy tamin’ny 10 ora ny ampitson’io. Rehefa ny manodidina ny lapam-panjakana no tsy misy jiro toa izany dia zava-doza izany. Izay ilay lazain’ny ntaolo fahiny hoe “fahirano”. Sady tsy misy rano no tsy misy jiro. Amin’ny miaramila dia ny rano sy ny jiro no kendrena voalohany raha hanao fahirano ny tanàna iray hotafihina.

Tsy Mahazoarivo sy ny manodidina irery anefa no voa mafy tamin’ity jiro ity fa voa mafy koa ny teny Ivato sy Talatamaty, Ampitatafika omaly tontolo andro. Saika manerana an’Antananarivo manontolo ny fahavoazana tao anatin’ny telo andro izao.

Tsy ny eto Antananarivo ihany no misy delestazy fa hatrany amin’ny faritany rehetra. Ambositra sy Manakara, Toliara sy Fianarantsoa dia samy voa mafy avokoa amin’izao fotoana izao.

Raha ny loharanom-baovao azonay dia tsy mety manome solika ho an’ny Jirama intsony araka ny filana ny orinasa mpanome izany satria tsy naha voaloa vola ny fanjakana. Dia miomana izany fa raha tsy misy vahaolana izany dia mety ho maizina tanteraka Antananarivo. Ny tena mahagaga amin’ity raharaha ity dia ny fiakaran’ny vidin-jiro isan-tokantrano amin’izao fahatapahana matetika misy amin’ny Jirama izao.

Jesy Rabelaolao

Commentaires   

0 #1 Thierry 17-12-2016 06:34
Ny aty port-bergé no hejana be délestage @ 12 ora antoandro mandeha ny jiro hatraminy 12 ora alina. 3 andro ny mandeha ohatrizany aveo @ 6 hariva izany ka hatraminy 12 alina , vita 2 andro io dia tsy mandeha intsony ny jiro mandritra ny 2 andro.
Citer

Ajouter un Commentaire