Nty sy Nday: Antoko matanjaka hono ny Hvm ?

Nanao fihaonambem-paritra tany Fianarantsoa ny Hvm ao Mahatsiatra Ambony tamin’ny faran’ny herinandro teo. Dia mirehaka ry Rivo Rakotovao sy Rina Andriamandavy mbamin-dry Claudine Razaimamonjy fa « Antoko matanjaka  ny Hvm ».

Matanjaka amin’inona, hono ? Amin’ny fahazakana olona maro ve rehefa mamory olona ? Amin’ny fananana olom-boafidy betsaka ve ? Amin’ny fananana vola hoenti-miasa rehefa mila vola ve ? sy ny maro…

Aoka hotsorina fa ny fahefam-panjakana amin’izao fotoana eo ampelan-tanan’ny Hvm no mahatonga azy hirehareha fa « matanjaka ». Io fahefam-panjakana io no entiny mamory vahoaka amin’ny fampihorohoroana sy fandrahonana, toa izay nihatra tamin’ny mpiasampanjakana tao Mahatsiatra Ambony tamin’io fihaonambem-paritra natao io. Io fahefam-panjakana io no nanararaotan’ny Hvm nampanao « asa tana-maro » (Himo) ka nisarihana ny sahirana ara-pivelomana tao an-tanànan’i Fianarantsoa ho tsy maintsy manamaro isa ny mpivory koa. Io fahefam-panjakana io no nohararaotina nakana ny volam-bahoaka tao amin’ny kitapom-panjakana ka nahafahan’ny Hvm nihetsika tetsy sy teroa. Io fahefam-panjakana io koa no nampiasan’ny Hvm nampihorohoroana ny olona ho tsy maintsy mirotsaka fidiana tamin’ny anaran’ny Hvm tamin’ireny fifidianana mpanolotsaina na ben’ny tanàna ireny tamin’ny jona 2015, sy ny fandrotsahana olona hofidiana Loholona tamin’ny novambra 2015.

Mbola io fahefam-panjakana io koa no nohararaotin’ny Hvm nanaovana hosoka sy hala-bato mbamin’ny fampihorohoroana ny mpifidy ho tsy maintsy mandrotsa-bato ho an’ny Hvm tamin’ireny fifidianana ireny. Io fahefam-panjakana io koa no nanerena an’ireo mpifidy vaventy (ben’ny tanàna sy mpanolotsainan’ny tanana) ho tsy maintsy mifidy ny lisitra anoloran’ny Hvm an’ireo ho loholona…

Io fahefam-panjakana io koa no nohararaotin’ny Hvm nampiasaina ka namadihan’ireo solombava ny palitaony ho Hvm nefa tsy nisy lisitra Hvm na iray aza tamin’ny fifidianana solombava teto.

Dia maro an’isa amin’izany rehetra izany ny Hvm dia mirehaka ho « matanjaka ».

Fihetsika nataon’ny mpitondra nifandimby teto hatrizay ireo notanisainay ho notohizan’ny Hvm ireo.

Raha te hamaly izany ianao mpamaky na ianareo Hvm hoe « matanjaka amin’ny inona ? », dia itodiho ny tantara fa izay antoko teo anivon’ny fahefam-panjakana nefa nakipilin’ny vahoaka teo, dia tsy afaka firy mihetsika intsony satria efa tsy eo aminy intsony ilay fahefam-panjakana nanararaotana ny volam-bahoaka sy ny mpiasampanjakana mbamin’ny fitaovam-panjakana…

Ralay

Ajouter un Commentaire