Dinika tany Parisy: “Fanaovana takalon’aina ny firenena”, hoy Rabetsaroana Sylvain
Nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny zoma lasa teo ry Rabetsaroana Sylvain sy Holijaona Rabaonarijaona avy amin’ny Mitsangàna ry Malagasy mbamin-dry Arlette Ramaroson sy Joel Harison avy amin’ny “Association Nosy Malagasy”. Teo koa Rtoa Ramaholimihaso Madeleine…
Ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena ankapobeny ankehitriny no novelabelarin’izy ireo.
Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon-dRabetsaroana Sylvain no nikororohany fa “manjaka ny kolikoly avo lenta eo anivon’ny fitantanana ny raharaham-panjakana”. Misy amin’ireo mpandraharaha ara-toekarena misandoka ho tena “mpandraharaha ara-toekarena” no tsy nitsahatra nanao kolikoly avo lenta tamin’ny mpitondra fanjakana nifandimby teto tao anatin’ny ampolon-taonany vitsivitsy, hoy izy.
Navoitran-dRabetsaroana Sylvain koa fa “ireo mpandraharaha ara-toekarena mitonona fa avy amin’ny sehatra tsy miankina ka naneho ny fahavononany hampiasa vola eto Madagasikara tamin’iny fihaonan’ny mpitondra fanjakana Malagasy tamin’ireo mpampisambo-bola sy ireo mpampiasa vola tany Parisy farany teo iny, dia tsy hafa fa ireo mbola te hanohy ka hangeja ny toekarem-pirenena malagasy ho eo ambany vahohony sy ho takalon’aina eo ampelan-tanany. Isan’ny navoitran-dRabetsaroana tamin’izany ny mpampiasa vola eo amin’ny sehatry ny famokarana angovon’ny herin’aratra. Ireo mpandraharaha milalao ny aim-pirenena Malagasy ireo dia saika nifikitra hatrany teo amin’ny fikatsahany ny tombontsoany nandritra ireo fitondrana nifandimby tato anatin’ny 30 taona farany, angamba.
Fa tamin’ny fanazavan-kevitra nataon’i Holijaona Rabaonarijaona indray dia nasiany resaka aloha ny momba ny fitakiana ny famerenan’i Lafrantsa na ny fialan’i Lafrantsa ao amin’ireo Nosy Malagasy. Ankoatra io dia tsy nohadinoiny koa ny ny nanipika fa “ny fizorana mankany amin’ny dingana hahatrarana ny “Madagasikara misandratra” (Emergence de Madagascar) no tanjona ary efa voasoritsoritra ny lalana hizorana amin’izany fa ny fitondram-panjakana ankehitriny no zary vato misakana. Isan’ny teboka hiantohana an’izany, hoy i Holijaona Rabaonarijaona ny fialan’i Lafrantsa amin’ireo Nosy Malagasy manodidina.