Mangataboahangy: Tsy nety mianatra fa matahotra ilay bibilava mena

Tamin’ny alarobia faha 07 desambra 2016 lasa teo no nilatsahan’ny varatra main’andro ny sekoly Sainte Thérèse ao Mangataboahangy ao Ambatofinandrahana. Ankizy 7 no maty tamin’izany, ny iray malemy hatramin’izao, ary miisa 31 mahery ny isan’ny naratra ka mpampianatra ny iray tamin’izany. Raha ny voalazan’ny sefo Cisco ao Ambatofinandrahana ingahy Minoarilala Tahina dia mananosarotra ny famerenana ny fampianarana ao amin’ity sekoly ity. Mila manam-pahaizana manokana hoy izy tokony hamboatra ny sain’ny mpianatra satria matahotra ny “bibilava mena” izay nandehandeha teo an-tokotanin’ny sekoly izy ireo alohan’ny nidirany tany an-trano sy nipoahany ka nahafaty sy nandratra mpianatra marobe tamin’izany. Voalazan’ny olona nahita ity raharaha ity fa nandehandeha toa ny bibilava teo an-tokontany ilay varatra alohan’ny nidirany tany amin’ny efitrano fianarana, izany nisy ny kilasy ao amin’ny taona faha 6 sy faha 5. Voalazan’ingahy Minoarilala Tahina hatrany fa olana be ny fahitana sekoly ao amin’ity kaominina ity noho ny tsy fisian’ny làlana satria ao anatin’ny 5 andro vao tonga any an-toerana ny fiara tsy mataho-dàlana raha tsara ny andro ary herinandro mahery raha misy orana, nefa dia 170 km monja avy ao Ambatofinandrahana no misy ity toerana ity.  Mbola olana koa ny tsy fandriam-pahalemana amin’izany satria manjaka ny asan-dahalo amin’ity kaominina ity. Raha toa ka tsy voavaha ny tahotra mianjady amin’ny mpianatra ao amin’ity sekoly katolika ity dia hitombo indray ny tahan’ny zaza tsy hiditra an-tsekoly any amin’ny kaominina Mangataboahangy. Hatramin’ny ankizy mpianatra any amin’ny EPP no lasa natahotra ankehitriny, ka mila fanarenan-tsaina maika.

Nangonin’i Jesy Rabelaolao

Ajouter un Commentaire