Tafika Malagasy: Very hasina tanteraka
Mitovy amin’ny fanjakana misy eto amin’ity firenena ity ihany ny tafika Malagasy, izany hoe very hasina tanteraka, ary tsy hatokisan’ny vahoaka tokony ho tompony intsony. Amin’ireo firenena rehetra manerana izao tontolo izao dia mipetraka ho tandroka aron’ny vozona daholo ny tafika, raha ny eto Madagasikara anefa dia mbola fanontaniana lehibe mipetraka izany satria raha mijery ny zava-misy tao anatin’izao fitondran’i Hery Rajaonarimampianina izao fotsiny, dia toy ny mifanipaka amin’izany ny zava-misy. Tsy vao tamin’ity repoblika faha 4 ity akory no nanomboka very hasina ny tafika Malagasy saingy vaomaika nitombo izany ankehitriny. Nahoana no very hasina ny tafika ? eo aloha ny tsy fahatokisan’ny vahoaka azy intsony satria tsy mandray ny andraikitra tokony ho raisiny, eo ny fanaovana pôlitika diso tafahoatra, ary eo koa ny tsy fahamatorana izay efa mibaribary toy ny vay an-kandrina. Endrika iray lehibe mampiseho an’izay tsy fahamatoran’ny tafika Malagasy izay ny fampisondrotana grady amin’ny tsy misy antony, indrindra fa ny fanomezana ny anaram-boninahitra Jeneraly ho an’ireo manam-boninahitra izay hita fa miaro mafy ny fitondrana mijoro ankehitriny. Ny alatsinainy teo dia niampy “Géneral de Brigade” 45 indray ny tafika Malagasy, ary misa 17 kosa ireo nakarina ho “Génerale de division”, anisan’izany ny lehiben’ny CIRGN, ny jeneraly Florens Rakotomahanina. Raha ny fahitàn’ny vahoaka azy dia toy ny zarazaraina fotsiny ny gradina jeneraly eto amitsika satria tsy hita izay tena asa goavana vitan’ireo manam-boninahitra kanefa isan-taona dia misondrotra grady hatrany izy ireo. Raha raisintsika ohatra ny jeneraly Florens Rakotomahanina dia tsy fantatra izay tena asa goavana vitany ankaotra ny fanakànana sy ny fisamborana ireo olom-pirenena maneho hevitra an-dalambe, eny fa hatramin’ireo Malagasy mijoro miaro ny tanindrazany aza dia rarafana baomba mandatsa-dranomaso ary samborina. Raha ny resaka tsy fandriampahalemana eto amin’ny faritra Analamanga dia sarotra ny hilaza fa nihena tao anatin’ny fibaikon’ny jeneraly Rakotomahanina Florens ny CIRGN. Vao maika nitombo aza satria vaomaika nirongatra ny vaky trano, ny vonon’olona, ny halatra taolam-paty sy ny trafikana rongony. Any amin’ireo firenena hafa, indrindra fa any amin’ireo firenena mandroso dia dingana maro ary goavana no tsy maintsy handalovan’ny manam-boninahitra iray vao mahazo izany anaram-boninahitra jeneraly izany fa tsy tahaka ny eto Madagasikara. Hany ka tsy mahagaga raha very hasina tanteraka ny tafika ary tsy hatokisan’ny vahoaka intsony. Iza amin’ny vahoaka Malagasy moa no mahalala ny zavabitan’ireto kolonely miisa 45 vao nakarina jeneraly ireto ? Efa manodidina ny 300 isa izao ny isan’ireo manam-boninahitra jeneraly eo anivon’ny tafika Malagasy kanefa ny tsy fandriam-pahalemana miha mirongatra manerana ny Nosy.
F.Tsihiavonana
Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE /* Style Definitions */ table.MsoNormalTable {mso-style-name:"Tableau Normal"; mso-tstyle-rowband-size:0; mso-tstyle-colband-size:0; mso-style-noshow:yes; mso-style-priority:99; mso-style-parent:""; mso-padding-alt:0cm 5.4pt 0cm 5.4pt; mso-para-margin-top:0cm; mso-para-margin-right:0cm; mso-para-margin-bottom:8.0pt; mso-para-margin-left:0cm; line-height:107%; mso-pagination:widow-orphan; font-size:11.0pt; font-family:"Calibri","sans-serif"; mso-ascii-font-family:Calibri; mso-ascii-theme-font:minor-latin; mso-hansi-font-family:Calibri; mso-hansi-theme-font:minor-latin; mso-fareast-language:EN-US;}
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.