Inty sy Nday: « Film » efa nandeha !
Dia mihevitra an’ity vahoaka malagasy ity ho zaza bodo sy kentrina, tsy mahalala izay Atsimo sy Avaratra mihitsy ny mpisehatra pôlitika sasany. Izany no fanamarihana mby an-tsaina tamin’ilay fihaonambem-paritry ny Hvm tao Matsiatra Ambony tao Fianarantsoa ny sabotsy teo.
Voalohany aloha dia nahazendana fa hatramin’ny nisian’ny antsoina hoe fihaonambe na zaikabe na filankevi-pirenena na Dinika… dia sambany tamin’iny nataon’ny Hvm tao Fianarantsoa iny no tsy nisy resaka na fandraisana anjaran’ny navory fa kabary nifandimbiasan’ny tompon’andraikitra Hvm dia izay.
Ka tao anatin’io kabary io no nisy niteny hoe « maro ny asa vita ary mbola tokony tohizana ny asa, ka miangavy anao izahay Atoa Filohampirenena Rajaonarimampianina hirotsaka hofidiana filohampirenena ihany amin’ny taona 2018 ».
Izay andalan-teny izay dia saika vaovao goavana ho an’ny sasany, nefa « film » na « riba » efa nandeha, hoy ny maro.
Dia hino ve ny vahoaka fa tena teny avy any amin’ny olon-tsotra na mpikambana ( ???) Hvm tokoa no nentin’iny lehilahy nikabary tao Fianarantsoa niantso an-dRajaonarimampianina mbola hirotsaka hofidiana amin’ny 2018 iny ? Lokanga tsy atao ka mahabe voatavo, hoy ny fitenenana izay.
Ianareo mpanararao-pahefana ka mahazo tombontsoa manokana amin’izao fomba fitantanam-panjakana izao ihany no mitaky ny hirotsahan-dRajaonarimampianina hofidiana fa raha ny maro no resahina dia na rahampitso rahampitso ihany aza izy dia tokony mametra-pialana.
« Riba » na « film » efa nandeha koa iny teny iny satria ny any an-dapa ihany no mampiteny ny « bolokiny » toa ireny mba hahazo fihobiana sy tehaka avy amin’ny mpanatrika izay nokaramaina sy nohorohoroina ho tsy maintsy tonga, ary « riba » na « Film » efa nandeha koa iny satria nanao toa izany avokoa ireo mpitondra nifandimby teto tato anatin’ny 45 taona farany.
Mety mbola tsy notorotoronina ara-pôlitika akory angamba ny maro amin’ny Hvm fa tamin’ny 1972 ange ka nitalakotroka ny kabary nanindraindrana an’i Tsiranana teto hoe « tsy mbola teraka ny handimby toerana anao, Atoa Filoha », nefa volana vitsy taorian’izay (volana may) dia « saika latsaka mbamin’ny fivalanako », hoy i Tsiranana izay teo anoloan’ny vahoaka an’hetsiny nitaky ny fialany e !
Nisy teny mitovitovy tamin’izany koa fony Repoblika faharoa, faha-Ratsiraka , ary na ny tamin-dRavalomanana aza, dia nisy ny mpila anditra nanao an’izany.
Tsy mahagaga e !
Rainisoa