Inty sy Nday: Hiroso sa mbola hitazan-davitra ny mpitondra?
Trangam-piaraha-monina mampibaribary ny fikorontanana noho ny tsy fisian’ny mpitondra fanjakana mahefa sy mahatapaka ahitra ny zava-misy any Ambatondrazaka amin’izao fotoana. Misy koa ny toerana hafa efa nitrangan’izany, toy ny tany Ilakaka, fa mampiteny ny moana amin’izao fotoana ny any Ambatondrazaka.
Eo anoloan’izany dia sokajin’olona maro any an-toerana no namoaka fanambarana ankehitriny ka miantso ny fandraisan’ny fitondram-panjakana fepetra mba hisorohana ny fihomboan’ny korontam-piainana andavanandro mitranga any an-toerana amin’izao fotoana.
Ireo sokajin’olona ireo dia ahitana ny olom-boafidy toy ny loholon’i Madagasikara, ny solombavambahoaka, ny fikambanan’ny zanaka ampielezana terak’Alaotra, ny firaisamonim-pirenena toa ny “Groupe d’Actions pour le Développement de l’Alaotra” (G.A.D), sy ny maro hafa.
Izy ireo izay manamarika ny firoboroboan’ny fitrandrahana tsy voafehy ny harem-pirenena toy ny vatosoa sarobidy ao Bemaitso sy Antsevabe izay tsy aiza akory fa ao amin’ny kaominin’Ididy, distrikan’Ambatondrazaka.
Izany tranga izany dia miteraka firohotan’ny sokajin’olona maro avy amin’ny lafivalon’ny Nosy mankany an-toerana, hoy ny fanambaran’ireto sokajin’olona mamatotra andraikitra ny fitondram-panjakana ireto. Izany firohotan’olona marobe any an-toerana izany, hoy hatrany ny fanamarihan’ny fanambarana, dia miteraka tsy fahafehezana ny fandriam-pahalemana, izay miseho amin’ny alalan’ny herisetra isan-tokony, toy ny vonoan’olona, ny fandrobana, ny fihetsika feno habibiana… izay saika isanandro no itrangan’izany. Miteraka ny fahasimban’ny fiaraha-monina koa ilay tranga, hoy hatrany ny fanambarana, ka mibaribary amin’izany ny firoboroboan’ny fivarotan-tena sy ny fanodinkodinana zaza tsy ampy taona. Tsy hita hotanisaina intsony ny fahapotehan’ny tontolo iainana vokatra ny fitrandrahana vatosoa, izay fahapotehana tena misy fiantraikany ratsy any amin’ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana, hoy hatrany ny fanambarana. Efa notaterina teto koa moa, ary notsindrian’ny fanambaran’ireto sokajin’olona saro-piaro amin’Ambatondrazaka ireto, ny firimorimon’ny fidangan’ny vidim-piainana satria lasa manenjika ny fananan’ireo mpanao aferam-batosoa vola ny vidim-piainana any, na ny hofantrano na ny sandan’ireo kojakoja iankinan’ny fiainam-bahoaka andavanandro (Ppn)…
Eo koa moa ny fahapotehana maro hafa, toy ny loto mihanaka etsy sy eroa ka ahiana hiteraka valan’aretina isan-karazany, hoy izy ireo.
Dia miandry ny fepetra horaisin’ny mpitondra fanjakana ny any an-toerana, raha toa ka mahatsiaro tena fa mbola mpitondra fanjakana tompon’andraikitra izy ireo.
Faralahy