Mpivarotra amoron-dalana : tsy voafehin’ny kaominina intsony
Azo raisina toy ny milavo lefona ihany ny kaominina Antananarivo Renivohitra manoloana ny fahamaroan’ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna, izay mandrakotra ny sisin’arabe ao anatin’izao ankatoka ny fetin’ny Noely izao. Tamin’ny alarobia lasa teo dia mbola nanamafy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina fa tsy maintsy mitohy ny fanadiovana ny tanàna amin’ny fanesorana ireo mpivarotra amoron-dalana. Raha ny zava-misy anefa dia hita ho marefo tanteraka ny kaominina noho ny fahamaroan’ireo mpivarotra. Toe-javatra izay vao mainka mampitombo ny fitohanan’ny fiara ary mampitaraina ireo mpampiasa fiarakodia. Satria tsy vitan’ireo pôlisy monisipaly intsony no manala ireo mpivarotra, indrindra fa amin’iny faritr’Analakely sy ny manodidina rehetra iny, dia famporisihana azy ireo mba tsy hivoaka aty amin’ny arabe sisa no ataon’ireo mpiasan’ny fivondronana. Azo antoka fa mbola hitohy hatrany amin’ny fiandohan’ny taona vaovao iny izao fahalalahan’ny mpivarotra amoron-dalàna izao.
F.Tsihiavonana
Faritra Sofia: Mandravarava ny tambazotra mpangalatr’omby
Tompon’omby maro ao amin’ny faritra Sofia, indrindra fa ireo ao anatin’ny distrikan’Antsohihy no velon-taraina amin’izao fotoana izao noho ny halatr’omby misy any an-toerana. Raha ny fanazavana nomen’ny sasany amin’ireo tompon’omby ireo dia misy mihitsy ankehitriny ny tambazotra mpangalatr’omby lehibe izay mitady ny handripaka ny ombin’ireo tantsaha sy mpiompy. Tsy ao Antsohihy ihany fa hatrany amin’ny distrikan’i Boriziny ary Mampikomy. Tambazotra izay misy manam-pahefana sy mpitandro ny filaminana miray tsikombakomba amin’ny dahalo. Tato anatin’ny andro vitsy, raha ny filazan’ireo tompon’omby any an-toerana ihany, saika isan’andro dia misy ny fiarabe vitsivitsy mitatitra omby mankany Antsiranana miainga avy ao Antsohihy ary ny betsaka amin’ireo omby ireo no halatra. Misy amin’ireo mpiompy izay very omby no mahita ny ombiny ao anatin’ireo fiarabe be ireo kanefa tsy afa-manao na inona na inona noho ny tanjak’ilay tambazotra. Raha ny voalaza dia manam-boninahitra kolonely iray mihitsy no manaraka ireo fiarabe ireo hatrany Antsiranana ka rehefa misy ny zandary manakana eny amin’ny lalam-pirenena dia ity manam-boninahitra kolonely ity no miresaka amin’izy ireo. Mandeha moa ny feo fa betsaka amin’ireo omby taterina any Antsiranana miainga avy any Antsohihy ireo no aondrana any ivelany. Miantso ny fanjakana foibe mba hijery akaiky an’ity halatr’omby any amin’ny faritra Sofia ity ireo mpiompy any an-toerana.
F.Tsihiavonana