Kaongresin’ny HVM: Nokaramaina 5.000 Ariary ny mpizaika tao Fianarantsoa

Ny fomba ratsy fanao hatramin’izay ihany no ataon’ny antoko eo amin’ny fitondrana ankehitriny raha tsy hiresaka afatsy ny kaongresim-paritry ny Hvm natao tao Fianarantsoa, ny sabotsy 17 desambra lasa teo. Loharanom-baovao azo antoka avy any an-toerana no nahafantarana fa nokaramaina vola avokoa ny ankamaroan’ireo mpizaika izay nanatrika ity kaongresim-paritry ny HVM tao Fianarantsoa ity, ary 5.000 Ariary isan’olona.

Ampahany vitsy tamin’ireo mpizaika ihany no avy ao an-tampon-tanàna fa saika olona notaomina avy any ivelan’i Fianarantsoa daholo no nameno ny kianja mitafon’Ambatomena, toerana nanaovana ny kaongresy. Misy aza ireo avy any amin’ny faritra hafa no nakarina tao amin’ity renivohatr’i Betsileo ity. Isan’ireo nitatitra olona maro avy any amin’ny faritra hafa ohatra, avy any Vatovavy Fitovinanany raha ny marina kokoa, dia ny solombavambahoaka, sady minisitra teo aloha, Raparany Anthèlme. Ity farany izay tsiahivina fa nisy nanapoizina nandritra ny fotoana  nanaovana ity kaongresim-paritry ny HVM ity.

Mazava hoazy fa zara raha misy ny olom-pirenena no mbola mankasitraka an’izao fitondrana izao ao Fianarantsoa ka tsy maintsy mitaona sy manakarama olona ny antokom-panjakana vao nahafeno ny kianja mitafon’Ambatomena. Tsy zava-baovao eto Madagasikara moa ny fanaramana olona rehefa misy ny kaongresy tahaka izao fa saika nanao izany fomba ratsy izany daholo ny fitondràna rehetra nifandimby teto amin’ny firenena. Ny somary mampiavaka azy, ireo antokom-panjakana teo aloha raha nanao kaongresy dia betsaka amin’ireo mpizaika no tena resy lahatra fa ny an’ny antoko HVM kosa dia olona noterena sy nokaramaina daholo no mpizaika, ankaotra ireo mapanao pôlitika mpamadibadika palitao sy mpitaty ran-kena.

Inoana fa hitovy tsy misy valaka tahaka izany no hataon’ny HVM amin’ireo kaongresy mbola hotanterahina any amin’ireo renivohi-paritany hafa, amin’ny taona hoavy iny.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire