Antenimierampirenena: 3 taona aty aoriana mbola tsy misy mpanohitra
Voaporofo hatrany fa fanjakana kitoatoa no misy eto amin’ity Madagasikara ity, indrindra fa eo amin’ny lafiny pôltika ka tsy mahagaga raha mikoroso fahana tahaka izao ny firenena. Mifarana ihany ity ny taona 2016, saingy mbola tsy misy ny mpanohitra ofisialy ny fitondrana eo anivon’ny Antenimierampirenena. Torak’izany koa ny toeran’ny lehiben’ny fanoherana eo anivon’ity andrim-panjakana mpanao lalàna ity izay mbola banga tsy misy tompony. Ahitàna ireo tranga izay tsy fahita eran-tany eto Madagasikara tao anatin’izao fitondrana Rajaonarimampianina izao ka anisan’izany ity zava-misy eo anivon’ny Antenimierampirenena ity.
Any amin’ireo firenena rehetra izay milaza azy ho demokratika dia tsy ahitàna an’izany hoe 3 taona aty aorian’ny nijoroan’ny parlemanta dia mbola tsy misy ny mpanohitra ny fitondrana. Raha ny tokony ho izy, ary izay no zava-misy manerana izao tontolo izao, vao mivaly fotsiny ny vokatra amin’ny fifidianana solombavambahoaka dia efa fantatra ny mpanohana sy ny mpanohitra. Satria moa ny eto amintsika dia fanjakana kitoatoa no misy, na fanjakana “Sauvage”, hoy ny solombavambahoaka Christine Razanamahasoa izay, dia tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny raharaha pôlitika. 3 taona aty aoriana, mbola tsy misy ny mpanohitra ofisialy eo anivon’ny Antenimierampirenena satria solombavam-bahoaka jamban’ny vola avokoa no misy eny Tsimbazaza. Ny fitondrana rahateo koa mahay manararaotra ny fitiavam-bolan’ireto depiote ireto ka tsy sasatry ny mampiasa ny “malette” tao anatin’izay 3 taona latsaka kely izay.
Tsiahivina ihany fa tamin’ny volana novambra lasa teo no nametraka ny taratasy milaza ny maha mpanohitra ny fitondrana azy teo anivon’ny ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ary teo anivon’ny filohan’ny Antenimierampirenena ny vondrona parlemantera MMM (Malagasy Miara Miainga) saingy mbola tsy nivaly hatramin’ity ny androany ny fangatahan’izy ireo. Raha ny voalazan’ny lalàna dia afaka manendry izay ho filoha lefitra lehiben’ny fanoherana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny antoko, na vondron’antoko manohitra ny pôlitikan’ny fitondrana rehefa mahazo ny fankatoavana avy amin’ny ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, izany hoe rehefa mahafeno ny fepetra rehetra takiana.
Efa maika ny hahazo ny toeran’ny lehiben’ny fanoherana moa ny antoko MMM ary porofon’izany dia nangataka fihaonana tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena ingahy Hajo Andrianainarivelo tamin’iny herinandro lasa teo iny saingy napetrapetrak’i Jean Max Rakotomamonjy.
Tao anatin’izay 3 taona izay dia betsaka ihany ireo solombavam-bahoaka nanakiana mafy an’izao fitondrana izao kanefa tsy mety milaza azy ireo ho mpanohitra ary mangina rehefa mahazo ranondranony any amin’ny mpitondra na any amin’ireo olona manodidina ny filohampirenena ao an-dapa. Tsy mahagaga raha tsy misy zavatra mandeha eto amin’ity firenena ity satria tsy misy tena mikatsaka ny tombotsoan’ny vahoaka sy ny firenena ny mpanao pôlitika, na ny ao amin’ny fitondrana, na ny ety ivelany, fa tsy mijery afa ny tombotsoa manokany avy.
F.Tsihiavonana