Rina Andriamandavy: Tsy mahazaka demokrasia

Lohateny lehibe teo amin’ny pejy fanokafana ny gazety Telonohorefy nivoaka tamin’ ny zoma teo ny hoe “Famosaviana an-dRamparany Anthelme sy ny fahafatesan-dRamanantsoa Rodolphe: Miahiahy an’i Rina Andriamandavy sy Razaimamonjy Claudine ny olona”.

Feo sy ako avy amin’ny olona no notaterina tao anatin’io lahatsoratra io, nefa dia fandrahonana ny tonian-dahatsoratry ny Gazety Telonohorefy, Soava Andriamarotafika no nasetrin’Ingahy Loholona Rina Andriamandavy ny resaka.

“Efa nisafidy ny hanao pôlitika ny tenako ka zakako na inona ataonareo ahy amin’ny resaka pôlitika na inona, fa izao lahatsoratra navoakanareo izao momba ny famosaviana an-dRamparany Anthelme sy famonoana an-dRamanantsoa Rodolphe izao, kosa dia efa mihoatra ny zavatra azo andeferana”, hoy izy tamin’ny antso an-tariby nandrahona an’i Soava Andriamarotafika. Nampiany avy eo hoe “fa inona mihitsy no olana aminao amiko ry Soava Andriamarotafika ?” Teo koa ny hoe “fantatro tsara ny fomba fanaonareo mpanao gazety amin’ny fampiasana voambolana…” (???)

Nanontany azy moa i Soava Andriamarotafika hoe “efa nahita ka namaky an’ilay lahatsoratra ve ianao sa tatitr’olona no renao fa akon’ny feo renay nateraky ny fanadihadiana tany Fianarantsoa io navoakanay io ?” Tsy novaliany ny fanontaniana fa ny endri-pandrahonana no nabosesiny. “Hifankahita isika” (???) ary ny namaranan’i Rina Andriamandavy ny resany moa sady niendrika fanivaivana ny tonian-dahatsoratry ny gazety Telonohorefy dia hoe “misaotra anao aho afaka niresaka taminao”, sady notapahiny avy hatrany ny fifandraisana.

Nibaribary tamin’iny fandrahonana nataon’i Rina Andriamandavy iny koa fa isan’ireo mpilalao pôlitika tsy mahazaka demokrasia ary tsy mahatanty fahalalahana maneho hevitra ingahiriany.

Asa nanoloran-tena ny fanaovan-gazety ary gazety nanokana ny tenany nandritra ny 60 taona hikatsaka ny rariny sy hanambara ny hitsiny ny gazety Telonohorefy, hoy i Soava Andriamarotafika, fa tsy gazety natao hitadiavam-bola ka hoe “ezahina ny hahalafo gazety” na “inona no ahazoana loharanom-bola hahazoana harena”. Noho izany, fantatra fa tranga tsy maintsy hiseho amin’ny lahatsoratra mivoaka an-gazety ny endri-pandrahonana sy fampihorohoroana isan-karazany. Tsy hoe matahotra koa anefa ka mitondra ny raharaha ety ambony gazety toa izao fa ho fanehoana kosa hoe “misy tompon’andraikitra ara-pôlitika eto (mety ho tompon’andraikitra amin’ny sehatra hafa koa) tsy mamaky tsara ny lahatsoratra na mihaino ako na feo avy amin’olona te hamahan-dalitra azy dia manao zavatra toa izao nataon’i Rina Andriamandavy izao.” Zava-doza eto amin’ny tany sy ny firenena izany, ary tsy mahagaga raha manaotao foana ny tompon’andraikitra sasany satria teboka tsy marim-pototra no manosika azy handray fanapahan-kevitra na fepetra.

Ajouter un Commentaire