Taona 2016: Nampihemotra ny demôkrasia teto Madagasikara
Afaka 4 andro dia hifarana tanteraka ny taona 2016, taona izay azo ambara fa tsy nitondra na inona na inona ho an’ny firenena Malagasy. Na teo amin’ny lafiny ara-pôlitika, na teo amin’ny lafiny ara-toekarena dia tsy nisy fivoarana teto Madagasikara fa ny mifanohitra amin’izay aza no zava-misy. Teo amin’ny lafiny pôlitika aloha dia tsy mbola tafapetraka tsara ny fitoniana hatramin’ity androany ity na dia tafatsangana aza ny Antenimierandoholona tamin’ny fiandohan’ny taona. Ny fitsanganan’ity andri-panjakana mpanao lalàna ity izay noheverin’ireo mpitondra fa hitondra ny fitoniana ara-pôlitika eto amin’ny firenena. Torak’izany koa ny lafiny ara-toekarena dia tsy nisy fivoarana, mbola nitaraina sy nampiaka-peo ny fivondronan’ireo mpandraharaha Malagasy. Miharatsy ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika raha ny antontan’isa navoakan’ireo sampan-draharaha iraisam-pirenena no jerena. Mbola tsy tafarina ihany koa ny orinasam-panjakana toy ny Jirama sy ny Air Madagascar, sns. Raha nisy kosa angamba ny sehatra heverina fa tena nihemotra indrindra tamin’ity taona 2016 ity dia ny demôkrasia, ary ny tena goavana dia ny fihemoran’ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fanohintohinana ny asa fanaovan-gazety. Hiarahan’ny rehetra nahita sy nahare ny resabe momba ilay lalàna mifehy ny serasera na ny “code de la communication” izay natao hanampenam-bava ny olom-pirenena, indrindra fa ny mpanao gazety. Na teo aza ny hetsika nataon’ireo mpampita vaovao izay nivondrona tao anatin’ny MLE (Mouvement pour la liberté d’expression) dia lany teo anivon’ny Antenimierampirenena ihany ity lalàna mifehy ny serasera ity rehefa nankatoavin’ny solombavambahoaka miisa 18 ary nanaovan’ny fitondrana amboletra.Tsara ihany ny mampatsiahy fa saika nanameloka an’ity lalàna ity daholo ny fikambanana miady ho an’ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, na ny teto an-toerana na ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, isan’izany ohatra ny RSF (Reporters Sans Frontière). Mbola eo amin’izay tontolon’ny serasera sy ny haino aman-jery izay ihany dia niarahan’ny rehetra nahita ihany koa ny antsojay sy ny fanamparam-pahefana natao tamin’ny onjam-peo tsy miankina “Jupiter” tany Ilakaka, tsy ela akory izay. Tsy adino ihany koa ny fanelingelenana na ny “brouillage” natao tamin’ireo onjam-peo tsy miankina maromaro manerana ny Nosy. Tsy resahina intsony moa ny fahafahana maneho hevitra an-dalambe izay arovan’ny Lalampanorenana. Tsy nisy na iray aza fihetsiketsehana nataon’ireo antoko na sendika manohitra ny fitondrana ka tsy noravan’ny mpitandro ny filaminana. Eny fa hatramin’ireo olom-pirenena mijoro miaro ny tanindrazany aza dia norarafana baomba mandatsa-dranomaso, nosamborina ary nalefa any am-ponja. Miroso mankany amin’ny jadona ny mpitondra ankehitriny satria mahatsapa ho halam-bahoaka. Ary raha izao no mitohy dia mbola ho ratsy noho ny tamin’ity taona 2016 ity ny demôkrasia eto Madagasikara amin’iny taona ho avy iny.
F.Tsihiavonana
Malaimbandy: Ben’ny tanàna sy zandary nandratra sy nangeja olona
Tamin’ny asabotsy faha 24 desambra 2016 lasa teo dia nosamborin’ny pôlisy miandraikitra ny ady heloka bevava na « Brigade criminelle » etsy Anosy ny olona maromaro. Ankilany dia ny olona miisa 9 izay voalaza fa nogejain’ity ben’ny tanànan’i Malaimbandy avy amin’ny antoko HVM (Hery vaovao ho an’i Madagasikara). Nitondran’ity ben’ny tanàna antsoina hoe Raza ity zandary iray manao fanamiana sy mitondra basy sy ny fitaovana fisamborana olona hafa koa ireto olona ireto. Raha ny loharanom-baovao azo antoka dia hanery ireto olona nogejaina sy nampiasana herisetra sy noratrana ireto hamerina vola ny tenany. Andaniny indray dia misy ireto olona 7 izay mpampihorohoro, ka isan’izany ny ben’ny tanàna, zandary avy any Malaimbandy ary olona hafa koa avy amin’ny mpitondra akaiky amin’izao fotoana izao. Nanomboka tany Malaimbandy ny raharaha ka izao nifarana eto Antananarivo izao ny fifanenjehan’ny roa tonta. Tao anatin’ny andro maromaro dia nahiboka tao amin’ity hôtely iray eny Androndra ity ireo izay voalazan’ireto ben’ny tanàna ireto fa misoloky taminy tamin’ny fivarotana « mercure » sandoka. Mitetina 20 tapitrisa ariary any ho any no voalaza fa nivarotana ity entana sandoka ity. Nandositra taty Antananarivo ireto mpivarotra ireto rehefa nahazo ny vidin’ny entana. Narahan’ireo voasoloky ka izao niafara amin’ny fitoriana teny amin’ny pôlisy miandraikitra ny ady heloka bevava izao. Nitory ny fianakavian’ireo voalaza fa mpivarotra “mercure” rehefa tsy hita ny havany, nefa fantatra fa gejaina ao amin’ity hotely ity. Kapoka, vono ary fanagejana tsy hahazo hivoaka ny trano no nahazo azy ireo.
Rehefa nosamborina ireto olona ireto dia nitory koa ireo olona tarihin’ny ben’ny tanàna ao Malaimbandy amin’ny fisolokiana nahazo azy. Raha ny loharanom-baovao azonay dia samy noraisin’ny pôlisy mpanao famotorana avokoa ny fitorian’ny roa tonta. Vokatr’izany dia samy natolotra ny fitsarana mpanao famotorana etsy Anosy avokoa izy roa ireto omaly talata faha 27 desambra 2016 tamin’ny 2ora tolakandro.
Isan’ny nanaitra ny olona manaraka ity raharaha ity ny mahakasika ilay zandary avy any Malaimbandy nataon’ny ben’ny tanàna ity mpiaro azy ary mpidaroka ireto olona lazainy fa mpisoloky. Ny loharanom-baovaoo hatrany no nahafantarana fa tsy misy taratasy ahazoan’ity zandary ity manao izao asa izao. Tsy nisy koa ny fanomezana alalana azy amin’ny lehibeny any amin’ny fiadidiana ny zandary amin’ny faritra Menabe ahafahany hanao izao asa izao. Voalaza fa baiko am-bava avy amin’ny olona ambony eny Iavoloha aty Antananarivo no nahatonga ity zandaray hanaonao foana ity izao, izay niarahany amin’ingahy ben’ny tanàna Raza. Ny fanadihadiana nataonay indray no nahalalana fa olona ambony antsoina hoe Richard izany izay miasa eny Iavoloha eny ary efa niasa tamin’ny masoivoho taloha tany ivelany no mpanome baiko. Fanamparam-pahefana sy asa fampihorohoroana tanteraka no nitranga vokatr’izany. Ny tena nahagaga dia ny tsy filazan’ireto ben’ny tanàna ireto tany amin’ny mpitandro ny filaminana taty Antananarivo raha tsy nisy ny fitoriana nataon’ny fianakavian’ny olona notanany.
Mbola ny resaka mandeha amin’ity raharaha ity koa no ahenoana fa miara-miasa i Richard sy ny ben’ny tanàna ao Malaimbandy amin’ny resaka vatosoa sy “mercure”, ka izany no isan’ny mahatonga izao raharaha izao. Mbola resaka HVM sy fangoronan-karena tsy ara-dalàna indray izany no mipoitra izao. Tsy avelan’ny hasin’ny firenena hoy ny fitenenana.
Milaza ny vaovao navoakan’ny gazety mpiseho isan’andro omaly talata faha 27 desambra 2016 fa maro dia maro ny fanelanelanana ataon’ireo olona ambony (minisitra sy tandapa) ankehitriny amin’ity raharaha ity.
Malaza amin’ny resaka bizina amin’ny vatosoa toa izao ny olona manodidina ny filoham-pirenena ankehitriny. Na ny fianakaviany izany na ireo mpiara-miasa aminy. Mahavoatonontonana ny olona akaiky ny filoham-pirenena sy ny vadiny avokoa amin’izao fotoana izao ny raharaha Fenoarivobe, Anjozorobe, Antsirabe, ary Malaimbandy. Mbola resaka hafa koa ny mahakasika ny any Soamahamanina, Fandriana, Antsohihy sy Marosada ao Malaimbandy ary ny any Mananjary, izay iarahan’ny fanjakana amin’ny Sinoa. Ny tena mahagaga amin’ireo rehetra ireo dia ny fampiasana hery ataon’ny mpitondra HVM. Ity farany ity dia hatramin’ny ben’ny tanàna indray no mampiasa fahefana diso tafahoatra. Ho hitantsika hatrany ny tohin’ny raharaha.
JB
Commentaires
S’abonner au flux RSS pour les commentaires de cet article.