Mahafaly Olivier

Lasa niala sasatra rehefa avy nampiesona vahoaka Tahaka ny efa mahazatra eto amin’ity firenena ity tao anatin’izao fitondran-dRajaonarimampianina izao dia nampiesonin’ny mpitondra indray ny vahoaka. 10 andro raha betsaka indrindra ny fialan-tsasatra azon’ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fety izao. Ary raha ny tetiandro navoakan’ny eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika dia amin’ny faha 3 ny volana janoary izao no hanaovana ny filankevitry ny minisitra voalohany amin’iny taona vaovao iny. Raha ny fantatra dia lasa nandeha niala sasatra any amin’ny Nosy Sainte Marie ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Olivier , amin’izao fotoana izao rehefa avy nampiesona ny vahoaka Malagasy. Tsiahivina fa herinandro mialohan’ny fetin’ny Noely, dia nilaza mazava ingahy Mahafaly Olivier raha niatrika an’ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza fa tsy hisy intsony ny delestazy raha ny eto Antananarivo. Hentitra ny praiminisitra tamin’io fotoana io ary nilaza fa baiko no omeny ka tsy maintsy ho foana ny delestazy. Raha ny zava-nisy dia tsy nisy intsony tokoa ny fahatapahan’ny herinaratra tao aorian’ny baikon’ny praiminisitra, raha ny teto Andrenivohitra sy ny manodidina. Mazava ho azy fa tsy dia nanana finoana loatra tamin’izay fampanantenana nataon’i Mahafaly Olivier izay ny ankamaroan’ny olom-pirenena. Saingy nihevitra izy ireo fa mety ao aorian’ny fety mihitsy vao mety hiverina ny delestazy. Indrisy anefa fa vao vita ny Krismasy dia tonga manao be fiavy indray ny fahatapahan’ ny herinaratra manerana an’Antananarivo iray manontolo, ary maharitra ora maromaro vao miverina. Mibaribary toy ny tafika andrefan-tanàna fa nofitahana indray ny vahoaka Malagasy tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy vitan’izay ihany fa sady lasa niala sasatra any Sainte Marie ny praiminisitra, lavitra ny olana iainan’ny vahoaka Malagasy, indrindra fa ity delestazy lavareny tsy misy fiafarany ity. Mipetraka ny fanontaniana, hatramin’ny oviana ihany ny Malagasy no hanaiky fitahina toy izany foana? Raha any amin’ireo firenena hafa, indrindra fa any amin’ireo firenena mandroso, dia ny alatsinainy teo ihany no nametra-pialàna i Mahafaly Olivier.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire