67 HA: Misy fanondranana olona hivaron-tena
Vehivavy maromaro, mbola tanora hatrany amin’ny 25 taona manodidina, sady tsara tarehy no tsara bika no amidy etsy amin’ny 67Ha ankehitriny. Raha ny fanadihadiana natao dia avy any amin’ny faritany izy ireo, ka misy ny avy any Antsiranana, Antsohihy, Toliary ary Atsimo Atsinana iny. Voalaza fa misy mpiasampanjakana ambony any amin’ny ministera ireny no niantso azy ireo eto Antananarivo sy nanafatra azy ireo. Napetraka eny amin’ny faritra 67 ha Avaratra Andrefana iny izy ireo ary eo akaikin’ny hotely lehibe iray. Natambatra amin’ny toerana iray izy ireo ka vehivavy tanora hatrany amin’ny 10 no miray trano. Rehefa nahavita fifanarahana amin’ilay olona nanafatra azy izy ireo dia izao tonga hivaro-tena eto Antananarivo izao. Mandoa vola any amin’ilay lehibe nanafatra azy izy ireo isan-kerinandro fa raha tsy izany dia voaroaka amin’ny tranony. Izany no antondiany aty Antananarivo. Hanao ity asa fivarotana tena ity satria tsy mahita asa intsony. Raha ny toerana tena ahitana azy ireo dia ny “parking avaratra andrefana” iny sy ny faritra manodidina azy. Ny tena olana hoy ny mponina eny amin’ity toerana ity dia ny fanaovan’izy ireo firaisana ara-nofo eny rehetra eny. Tsy azo aleha intsony ny elakelan-trano amin’ny hariva satria amin’ireny toerana ireny no anaovany firaisana.
Raha nanontaniana mahakasika ny antony andehanany aty Antananarivo manao ity asa ity ireto mpivaron-tena ireto dia milaza fa tsy misy asa mihitsy any amin’ny toerana nihaviany ka aleony mivaro-tena. Tsy misy orinasa mba hiasana hoy ihany izy ireo. Ny tena mpanao gazety indray aza no anontanian’izy ireo asa ho azy raha mahita dia miala amin’io asa io izy.
Tonga amin’ny asa fanandevozana tanteraka isika Malagasy amin’ity raharaha ity. Hararaotin’ny Malagasy mitovy aminy ny fahantrana misy eto amin’ny firenena noho ny tsy fahaizan’ny mpitondra ka amoronana izao asa mamoafady izao. Ny tena mahagaga dia mpiasam-panjakana ambony any amin’ny ministera no isan’ny voalaza fa mampanao izao fomba fitadiavana izao sy mpandraharaha avy any amin’ny faritra koa. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia olona milaza azy fa akaikin’ny fanjakana ireto lehiben’ny tambazotran’ ny fivarotantena ireto.
Ny asa toa itony matetika no fototry ny foiben’ny asa ataon’ny “mafia”, na ireo tambazotra amin’ny fanondranana rongony sy ny fanondranana olona ary ny asan-jiolahy ireny.
Tafiditra ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny Malagasy ankehitriny ka lasa mamorona asa ratsy. Tsy ny etsy amin’ny 67 Ha ihany anefa no mitombo izay tsy izy ny fivarotan-tena ity fa amin’ny faritra amin’ny maro eto andrenivohitra. Tsy hay tenenina intsony ny tovovavy mivarontena etsy Tsaralalana sy Analakely amin’ny hariva sy ny alina. Toa izany koa ny eny Ambohipo iny. Misy mihitsy ny vadiny no manatitra an-dramatoa hivarontena ankehitriny. Voalaza fa ralehilahy vadiny mihitsy no miandry an-dramatoa amin’ny firaisana ataony amin’ny olon-kafa ka maka ny vola hamelomana ny ankizy any an-trano izay ilaozana mandritrin’ny alina.
Tsy ny eto Antananarivo ihany no misy toa izao fa manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Vokatrin’ny tsy fisian’ny asa izao. Ny fahantrana mihoampampana misy eto amin’ny firenena sy ny tsy fahaizana mitondra fanjakana ataon’ny mpitondra ankehitriny no tena olana amin’ity raharaha ity. Aiza ny fanjakana eo anatrehan’ity raharaha ity ?
Jb