Kara-panondron’ny fiarakodia: Nohalavaina hatramin’ny 31 martsa ny fanavaozana azy
Iray amin’ireo antontan-taratasy havaozina mba tsy ho azo anaovana hosoka na ilay antsoina hoe « biometrique » ny kara-panondron’ny fiarakodia na « carte grise ».
Efa ambolana maro no nanaovana ny fanavaozana azy io ary tokony hifarana amin’ity faran’ny taona ity, saingy tsapan’ny tompon’andraikitra fa mbola marobe ireo tsy nahavita nanao ny fanavaozana, na efa mananika ny 300 isanandro aza no vita, dia nisy ny fanapahan-kevitry ny ministeran’ny atitany, izay miahy mivantana ity foibem-pisahanana ny tontolon’ny kara-panondron’ny fiarakodia sy ny fanomezana taratasy fahazoana alalana mamily fiarakodia ity (centre immatriculateur de Madagascar) fa rariny raha halavaina hatramin’ny faha-31 martsa ny fanavaozana an’io kara-panondron’ny fiarakodia io. Samy nofaritana ho amin’io faha-31 martsa io izany ny fanavaozana ny taratasy fahazoana mamily fiarakodia (permis de conduire) sy ny kara-panondron’ny fiarakodia (carte grise) ho araka izany « tsy azo anaovana hosoka » izany.
Isan’ny nanaovan’ny tonian’ny foibem-pisahanana izao raharaha izao, Hyacinthe Charly Rajaonarison, fanamarihana fa « misy tokoa ny fimenomenonan’ny olona sasany ny amin’ny filazana fa misy ny kolikoly amin’izao raharaha fanavaozana izao. Misy andraikitra tokony horaisin’ny olom-pirenena manao ny raharaha amin’itony fanavaozana taratasy itony, hoy ity, satria ny mpiasa eto anivon’ny foibe dia tsy mivoaka any ivelan’ny seha-piasany ary misy mari-pamantarana azy ireny eny aminy fa mety ho olon-kafa no mandrebireby ny olom-pirenena any. » na izany na tsy izany koa anefa dia nomarihin-dRajaonarison Charly Hyacinthe, « fa tsy mitazam-potsiny ny tompon’andraikitra fa manara-maso akaiky ny fomba fiasa amin’ny ankapobeny, ary efa nisy olona tratra nampiasa hosoka tamin’ny tapakila nandoavana vola (fausse quittance) ka efa nandraisana fepetra araka ny lalàna. »
Tsy nohadinoiny koa ny nanindry fa « zato mahery no isan’ny taratasy tsy ara-pahamarinana tratra teo anivon’izao fanavaozana izao, na taratasy fahazoana alalana mamily fiarakodia izany na kara-panondron’ny fiarakodia ».