Mitohy ny fivarotan-tanindrazana aton’ny mpitondra
Iray amin’ireo orin’asam-pirenena ifotoran’ny fiandrianampirenena ny Vondrom-pitaterana an’habakabaka Air Madagascar. Amin’ny maha-Nosy an’i Madagasikara koa dia vao aminka manan-danja ny seha-pitaterana an’habakabaka, ary izany no maha-saro-pady (stratejika) azy io, toy ny tontolon’ny fifandraisan-davbitra, ny banky, ny solika, ny Jirama…
Indrisy anefa fa sendra izay mpitondra fanjakana mpivarotra tanindrazana no nifandimby nitantana teto, ary isan’izany izao fitondrana Rajaonarimampianina izao, dia ireny namidy varo-boba ho an’ny vahiny ireny avokoa ny orin’asa iankinan’ny aim-pirenena, indrindra fa amin’ny maha-Nosy an’i madagasikara, hoy izahay etsy aloha.
Tena fivarotan-tanindrazana izao fisintahan’ny fanjakana amin’ny tontolo,n’ny fitaterana an’habakabaka izao.
Efa nomena ho an’ny vahiny, amin’ny alalan’ny « Ravinala Airports » ny seranam-piaramanidina iraisampirenena eny Ivato sy any Nosy Be. Ity « Ravinala Airports » ity, izay tsy hafa fa ilay « Aeroport De Paris » (ADP) ihany saingy mba handrendrehana ny malagasy tso-dahy sy tso-bavy, dia mody nosalorana voambolana malagasy hoe « Ravinala » ilay izy. Vondron’orin’asa izy io na « Consortium ». Mbola endrika isehoan’ny famitahana ny vahoaka malagasy ihany koa izany ary azo antoka fa tsy maintsy malagasy no tompon-kevitra hoe « asio anarana mampiavaka ny an’i madagasikara, dia ny « Ravinala ». Ny orin’asam-pirenena misahana ny fitaterana an’habakabaka Air madagascar indreay izany izao no dingana manaraka homena ny vahiny.
Niady fo mafy teo aloha teo ny mpitondra fanjakana nilaza fa « tsy hamidy izany ny Air Mad ». ny loharanom-baovao eo amin’ny sehatra iraisampirenena mihitsy izao no milaza fa « orin’asa misahana fitaterana an’habakabaka telo no voatana hifaninana farany amin’ny fandreaisana ny 49%-n’ny renivolan’ny orin’asam-pirenena malagasy Air Madagscar, dia ny « Air Austral », ny « Air Mauritus » ary ny « Ethiopie Airlines ».
Aoka hotsorina aloha fa tsy ny fivarotana tany toy ny nokasain-dRadama II natao tamin’ny alalan’ny « Charte Lambert » ihany na ny nataon-dRavalomanana tamin’ny velaran-tany 1.300.000 ha tamin’ny orin’asa koreana tatsimo Daewoo na ny nifanarahan-dRajaonarimampianina tamin’ny Nosy maorisy momba ilay tany mahatratra 350 Km2 any Taolgnaro ihany no antsoina hoe fivarotan-tanindrazana, fa ny fanomezana ny vahiny ny orin’asa iankinan’ny aim-pirenena toy ny Air Mad, ny Banky, ny Jirama, sy ny hafa koa, mbamin’ny fanomezana alalana ny vahiny handroba ny harena ankibon’ny tany, toy ny misy amin’izao fotoana, koa.
Miantefa any amintsika vahoaka malagasy àry ny andraikitra.
Ralay