Oviana tsy nisy vahiny ambony tonga moa teto ?
Mampivonto fo mihitsy ny mandre na mahita ny mpitondra fanjakana ambony eto, na ny taloha na ny ankehitriny, izay manasokajy hatrany an’ity vahoaka malagasy ity ho zazakely na zazabodo tsy mahahalala na inona na inona fa hoe tolorana vatomamy dia mangina rehefa mitomany. 56 taona izao no nilazana fa niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Rehefa hoe « tany mahaleotena i Madagasikara » dia nisy hatrany koa ny fifandraisana ara-dipalomatika teo amin’ireo firenena hafa sy tamin’ny fikambanana iraisampirenena maro. Rehefa misy izay fifandraisana ara-diplaomatika izay dia misy koa izany ny fifanakalozana ara-diplaomatika. Mira-zotra eny koa ny fifandraisana sy fifanakalozana ara-toekarena sy ara-barotra.
Dia misy ny vahiny avy any ivelany tonga mitsidika eto. Ao ny manao fitsidihana diplaomatika, ao ny fitsidihana ara-barotra, ao ny fitsidihana mba maka rivotra fa malaza ho tany tena mbola voajanahary tsara i Madagasikara, sy ny maro hafa e !
Ireny fitsidihana ireny dia azo ifampiresahana tsara mba hikatsahana fiaraha-miasa, fifampitsimbinana, fifanakalozana… Dia iny no avy hatrany dia ireharehan’ny mpitondra fanjakana , na ny ankehitriny na ny teo aloha nifandimby rehetra, fa toy ny fandresana goavana sy mana mitondra fahagaga ho an’ny vahoaka ka lasa nanaisotra tampoka teo an’ilay fahasahiranan’ny ambanilanitra.
Ireharehan’ny mpitondra ankehitriny indray mantsy ny ho fiavian’ny vahiny ambony maromaro eto raha vao mitsidika io taona vaovao io, toy ny minisitry ny raharaham-bahiny avy any amin’ny Repoblika entim-bahoakan’i Shina, ny olona fahatelo avy amin’ny fanjakana Thailandey, eo koa ny olona ambony avy any amin’ny fanjakana Vatikana, izay hanamarika miaraka amintsika malagasy ny faha-50 taonan’ny fifandraisana teo amin’i Madagasikara sy i Vatikana. Mbola hisy hafa koa e
Dia hoe « ho taom-piotazana ny voa nafafin’izao fitondrana izao io taona 2017 io », hoy ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy. Sao dia voa hafa aza no nafafin’izao fitondrana izao ka hioty na hijinja ny nafafinareo ange ianareo e !
Mba itodiho kely ange ny vao nolalovan’ny firenentsika tamin’ny volana oktobra sy novambra teo e ! Ny fandraisana ny fivorian’ny Comesa sy ny Frankofonia izany e ! Nanamaivana na nanalefaka ny fahasahiranantsika vahoaka ve ireny sa mbola ho avy ny vokatsoa avy amin’izy ireny ? Ary raha ny lavidavitra kokoa, efa tonga teto avokoa ange ny filohampirenena frantsay nifandimby teto, toa ny Jeneraly de Gaulles, i François Mitterrand, i Jacques Chirac, i François Hollande. Efa teto ny Praiminisitra frantsay Michel Rocard, ohatra. Efa tonga teto ny filoha sinoa tamin’ny Repoblika fahatelo. Efa teto ny filoha Aljeriana, ny mpitari-tolon’ny vahoaka palestiniana (Yasser Arafat). Efa teto ny mpitondra ambony avy any amin’ny Firaisana sovietika teo aloha. Tonga teto ny filohampirenena maromaro (afrikana, Vietnam, …) tamin’ny fivorian’ny frankofonia teo. Maro tsy ho voatanisa e ! Fa nitondra inona tamin’ny fiainam-bahoaka ireny moa ?
Izahay tsy milaza hoe tsy tokony mitsidika aty ireny olobe avy any ampita ireny na tsy misy ilàna azy ireny ho tonga eto. Ny tianay homarihina dia hoe « firifiry izay vahiny manan-kaja tonga teto izay fa vao mainka nanamafy ny fiankinan-dohany tamin’izy ireny ny mpitondra nifandimby teto ka tsy nahatafavoaka ny tanjona hiarenan’ny fiainam-bahoaka sy hiroboroboan’ny toekarena sy ny fihariana ankapobeny teto. » Ilay toe-tsaina mivonona hatrany amboalohany miondrika sy mivavaka ary miantehitra sy miankin-doha amin’ny hery vahiny no tsy nahitan’izao vahoaka malagasy izao ny anjara-masoandrony hatrizay ka tokony hanova foto-pisainana amin’izay ny mpitondra e ! Na ny mpitondra amperin’asa izany na izay handimby hiakatra eo. Aza pempoina sy sasaina ati-doha lava amin’ny fifandraisanareo mpitondra amin’ny vahiny any ny vahoaka malagasy.
Faralahy