Pasitera Mailhol: « Tsy hanongam-panjakana mihitsy ny Apôkalypsy »

Nandiso ny resaka naely sy naparitaka any anatin’ny tambazotran-tserasera ,izay nahatafiditra ny anarany sy ny fiangonana Apôkalypsy izay tariany, ny pasitera Mailhol raha nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety omaly. Raha tsiahivina dia ny talata 26 desambra lasa teo dia nisy ny karazana vaovao navoakan’ny olona iray tsy fantatra ary milaza ho zandary tao anatin’ny tambazotran-tserasera Facebook. Vaovao izay milaza fa mikonokonona fanonganam-panjakana mialohan’ny 15 janoary hoavy izao ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Nirina Rajoelina, sy ny manam-boninahitra Jeneraly vitsivitsy izay nanana andraikitra ambony tao anatin’ny fitondrana tetezamita. Tafiditra tao anatin’ireo olona voalaza fa mikononkonona fanonganam-panjakana ireo ihany koa ny filohan’ny fikambanana Apôkalypsy eto Madagasikara, ny Pastera Mailhol. Nanambara ity olona tsy fantatra milaza ho zandary ity fa nivory tany Anjozorobe sy tany Toamasina ireo olona rehetra voatanisa ireo ary ny fiaran’ny fiangonana Apôkalypsy no nitatitra azy ireo tamin’izany. “Betsaka ny fanenjehana sy ny fanaratsiana natao ahy sy ny fiangonana Apôkalypsy tao anatin’izay taona maro izay saingy tsy hangina intsony izahay amin’ity indray mitoraka ity satria efa mihaotra ny fefy ny zava-misy”, hoy ny pasitera Mailhol. Ity farany izay nanamafy fa mbola tsy nanongam-panjakana ary tsy hanongampanjakana na oviana na oviana ny fikambanana Apôkalypsy sy ny antoko politika izay naoriny, dia ny GFFM. Nambaran’ny pasitera Mailhol fa izy tenany mihitsy no tiana lotoina sy potehina tamin’ity tsaho naely ity fa tsy ny filohan’ny tetezamita teo aloha na ireo manam-boninahitra jeneraly voatanisa ao anatin’izany. Manoloana an’ireo fanenjehana sy fanaratsiana ny fiangonana Apôkalypsy tato ato dia nilaza mivantana ny pasitera Mailhol fa ory hava-manana ny Malagasy ka tsy mahazaka mahita ny fiangonany mahasarika olona maro amin’izao fotoana izao, na ny nanomezan’ny fanjakana azy ny mari-boninahitra “Commandeur de l’Ordre National”.

F.Tsihiavonana

Ajouter un Commentaire